Mois : octobre 2025

Voankazo: Mbola lafo ny vidin’ny manga

Lafo ny vidin’ny voankazo, Manga, amin’izao fotoana izao, indrindra eny amin’ny tsena lehibe toy ny eny Antsahabe. Raha ny fanadihadiana natao, 4000 Ariary ny kilao, ary 500 Ariary eo ho eo ny vidin’ny iray amin’ireo kely amidy tsirairay eny an-tsena. Araka ny fanazavan’ny mpivarotra sasany, tsy mbola fotoanan’ny Manga amin’izao […]

Fifanarahana UE sy Madagasikara : Trondro Lamatra 14 000 taonina no azo jonoin’ny eoropeanina

Nohavaozina, tamin’ny novambra 2023, ny fifanarahana mahakasika ny jono eo amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) sy i Madagasikara. Voakasik’izany ny fanjonoana lamatra (thon) aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Nisy ny fanavaozana ny fifanarahana, vita sonia ny 30 jona 2023, ary haharitra 4 taona (2023-2026). Voafetra ho 65 fara-fahabe­tsany ny sambo eropeanina, afaka […]

INDRAY MIJERY

Mitohy ny ezaka ataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony ho fiantohana ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ho an’ireo zokiolona. Nanatanteraka fizaham-pahasalamana ho azy ireo ny tao amin’ny distrikan’Andilamena. Maro ireo zokiolona tonga nisitraka fanarahana ny fahasalamany ho fisorohana. Mitohy ny fandraisan’andraikitr’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny zokiolona any amin’ny faritra tsirairay. Tokony […]

Riders Scoot community : Nanao diabe «Fanovana ho an’ny kodiarandroa»

Satria manana tanjona hitondra fanovana ny hetsi-bahoaka natao, nanatontosa diabe « Fanovana ho an’ny kodiarandroa » ireo mpitondra kodiarandroa eto Antanana­rivo mivondrona ao amin’ny Riders Scoot community, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Makis Andohatape­naka. Nanao fitakiana mahakasika ny fiantohana sy ny Centre d’Immatriculation de Madagascar ary ny minisite­ran’ny Fitaterana izay miahy […]

Clinique Ave Maria: 90 taona nitsaboana ny vahoaka

Hopitaly iray anisan’ny goavana sahanin’ny finoana katolika ny clinique Ave Maria Antsirabe. 90 taona nikarakarana ny lafiny fahasalamana ho an’ny vahoaka maro ity tobim-pahasalamana ity, ankehitriny. Nisy ny fankalazana izany taon-jobily izany. Maro ny tolotra ara-pahasalamana omen’ny hopitaly Ave Maria ary efa manana hatramin’ny fanaovana fitarafana avo lenta “scanner” izy, […]