Mois : octobre 2025

Noho ny zava-misy ankehitriny: Nahemotra ny fampisehoan’i Narisoa

Tsy voatazona ny andro tokony hanaovan’i Narisoa fampisehoana lehibe ao amin’ny CCEsca Antanimena. Raha ny 2 novambra izao no nampahafantarina ny fisian’ny seho. « Noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena, ahemotra amin’ny fotoana maha mety azy ny hanatanterahina ny fampisehoana. Holazaina amin’ny fotoana manaraka izany », hoy i Ndre­ma, nampita ny […]

“Africa Photo Fair 2025” : Hampiranty any Abidjan i Henintsoa Rafalia

Mivelatra hatrany any Afrika sy maneran-tany ny talenta malagasy. Handray anjara amina hetsika lehibe ho an’ny saripika, any Côte d’Ivoire, i Henintsoa Rafalia. Hanasongadinana ny ta­lentan’ireo mpaka sary afrikanina, hiditra amin’ny andiany fahefatra ny “Africa Photo Fair 2025”, ha­tao any Abidjan, Côte d’Ivoire. Voaasa handray anjara sy hampiranty ny sanganasany, […]

TSELATRA

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny lalam-baovao Rocade, omaly hariva. Fiara Mazda iray no nandona moto iray nijanona tao anaty fitohanana teny an-toerana. Vokany, naratra mafy ny lehilahy roa nitaingina io kodiaran-droa io ary nahitana fahasimbana ihany koa ilay moto nentin’izy ireo. Efa nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly moa ny naratra taorian’ny […]

Imerintsiatosika : Zaza 6 taona maty voafaokan’ny fiara

Nifamonjen’ny nanatri-maso ny zazalahy 6 taona voafaokan’ny fiara Starex teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Bemasoandro, kaominina Imerintsiatosika, oma­ly. Nirava avy nianatra ka nandeha tamin’ny sisin-dalana ilay zazalahy. Nirimorimo ny fiara iray niloko mavo ka nahafaoka tsinahy an’io mpianatra io. Nipitika avy hatrany ity farany. Naratra mafy noho ny dona nahazo […]