Anisan’ny akora fototra ilain’ny ozinina Malto, an’ny orinasa Star, amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera ny voan’ny zavamaniry orge. Miezaka manjifa ny vokatra eto an-toerana ny orinasa mba hitondra fampandrosoana eny ifotony. Nisafidy ny hiara-kiasa amin’ny Malagasy tantsaha maherin’ny 20 000, hamboly orge, ny ozinina Malto hatao vadim-boly sady ho fidiram-bola fanampiny, na dia […]
Mois : octobre 2025
Jono : Mikatona ny fitrandrahana drakaka
Namoaka didy ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga. Voarara ny fanjonoana, ny fananagonana, ny famatorana, ny fividianana, ny fitaterana, ny fitahirizana ary ny fanondranana any ivelany ny drakaka amin’ny endriny rehetra. Mihatra ity didy ity mandritra ny roa volana, manomboka ny 16 oktobra hatramin’ny 15 desambra 2025, […]
Famatsiana herinaratra : Ho tonga eny Ambohimanambola ireo milina
Mandeha araka ny tokony ho izy, hatreto, ny fitaterana manokana ny milina avy any Toamasina ho aty Antananarivo. Azo antoka ny fanamafisana ireo tetezana miisa 13 amin’ny RN2. Niainga ny alakamisy maraina teo ny fiarabe mitatitra ireo milina hapetraka eny amin’ny toby Ambaohimanambola, hamokatra 105MW. Araka ny lamina napetraka, notsinjaraina […]
INDRAY MIJERY
Mitohy ny fanatanterahana ny fandaharanasa “Fijery Hafa” ao amin’ny faritra Itasy, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Notanterahina tao amin’ny kaominina Ambatomanjaka ny fiofanana momba ny fiompiana trondro anaty dobo sy an-tanimbary. Nampiharina tao amin’ny Akany zandarimaria Arivonimamo ihany koa ny fiofanana momba ny Pisciculture hors sol. […]
CHU Gob Befelatanana: Sempotry ny lakrimozenina ny zaza vao teraka
Nivoaka tamin’ny fahanginana ny mpitantana ny hopitaly fiterahana CHU Gob Befelatanana sy ireo mpiara-miasa rehetra manoloana ny herisetra sy ny faniratsirana ny zon’ireo zaza menavava sy mpiteraka ary marary tsaboina ao amin’ny hopitaly. Nihamafy ny herisetra ny alakamisy teo ary tena nihatra aman’aina amin’ireo olona manaraka fitsaboana sy mpiteraka ao […]




