Nametraka fandaminana manokana ny tahirimbolam-panjakana ho an’ny fandraisan’ny zokiolona ny vola fisotroan-dronono. Misokatra amin’ny 6 ora maraina ny toerana rehetra handraisana izany eto Analamanga, nanomboka omaly hatramin’ny 16 oktobra izao. Natao izany ho fitsinjovana ny zokiolona manoloana ny korontana misy eto an-dRenivohitra, vokatry ny fitakiana an-dalambe ataon’ireo mpitolona. Manaraka hatrany […]
Mois : octobre 2025
Fanimbazimbana ny aina sy ny marary: Manambatra feo ireo holafitra amin’ny sehatry ny fahasalamana
Nanao fanambarana iombonana ireo holafitra amin’ny sehatry ny fahasalamana, omaly, teny Nanisana. Miombom-peo izy ireo amin’ny fanoherana ny herisetra atao eny amin’ny tobim-pahasalamana sy hopitaly. Nahitana ny filohan’ny Holafitry ny farmasianina, ny mpampivelona, ny mpitsabo nify sy ativava, ny dokotera ary ny infirmiera ireo nanao fanambarana, omaly. “Manoloana ny raharaha […]
Safe space : Hanomezana torohevitra amin’ny fandrindram-piterahana
“Ankoatra ny fanentanana ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana ho an’ny zatovovavy momba ny fananahana ara-pahasalamana, napetraka ihany koa ny toerana manokana ahazoan’ny zatovovavy miresaka mivantana (safe space) amin’ny mpitsabo, nandritra ny forum. Raisina ao ireo ankizivavy manana hetaheta manokana na mila torohevita sy fanazavana momba ny fahasalamany. Ankoatra ny fandraisana an-tanana ireo […]
Hahatongavana amin’ny tanjona : Harovana amin’ny vohoka tsy irina sy ny herisetra ny zatovovavy
Tanora voaaro amin’ny vohoka tsy irina sy ny herisetra, tonga amin’ny tanjona iriany no antony nametrahana ny sehatra ho an’ny zatovovavy (15-17 taona) tany Vondrozo, niarahan’ny Unicef sy ny minisitera enina. Andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny zatovovavy sy ny ankizivavy, anio. Andro hampivoarana ny zony amin’ny sehatra maro, toy ny […]
TARATRY ny KANTO
“Baobab, source de vie”. Raikitra ny resadresaka iarahana amin’i Cyrille Cornu eny amin’ny Mozean’ny saripika Anjohy, anio amin’ny 10 ora maraina. Mandalo eto Madagasikara ity mpikaroka nanokana fotoana ho an’ny karazana baobab eto amintsika ity. Mifameno amin’ny fampirantiana saripika izay miseho amin’izao fotoana izao, eny an-toerana, izany. Izay indray vao […]




