Mois : octobre 2025

Tarika Ramilison – Tarika Rossy: « Nitaiza sy nanampy olona maro i Mamamely… »

Meltine Rasoloarisoa no tena anarany. Mely, Mama­mely, Totoa Mely, samy anarana fiantson’ireo akaiky azy avokoa izany. Nodimandry ny alakamisy teo ity mpanakanto ity, araka ny efa notaterina omaly. 58 taona i Meltine izao nandao ny tany izao, rehefa avy nolazoin’ny aretim-po fo­toana ela, raha ny nambaran’ ny fianakaviana. Mpanakanto nandova […]

Antanetibe Mahazaza: Hanafana ny « Fetiben’ny atody » ry Njakatiana sy Mahaleo

Fiompiana, fambolena, hainahandro, fialamboly, zavakanto, kolontsaina… Tafiditra anatin’ny hetsika « Fetiben’ny Atody » avokoa ireo. Hisokatra anio izany, eny Antanetibe Mahazaza. Ny atody sy ny tontolony. Manodidina izany ny « Festival des œufs » na ny « Fetiben’ny atody », izay hiditra amin’ny andiany fahefatra, eny Antanetibe Mahazaza. Andro iraisam-pirenena ho an’ny atody rahateo ny 10 […]

FANTINA sy FINTINA

Nitsangana ny raiamandreny ao an-tanànan’ Antsiranana. Nanambara izany izy ireo, omaly, ary naneho fahavononana hiara-dalana amin’ny fitakiana ataon’ny mpianatra sy ny tanora Gen Z. «Tsy ho faty ny tolona raha mbola misy ny tia tanindrazana», hoy izy ireo. Nanentana ny rehetra koa izy ireo hanatevin-daharana ny tolona. Mitaky ny hamotsorana […]

Fifidianana loholona: Mihemotra ny fametrahana ny firotsahan-kofidina

“Ny vanin’androm-pifidianana izay didim-panjakana no mamaritra azy ho amin’ny 11 desambra, tsy manan-kambara momba an’izay ny Ceni”. Io ny fanazavan’ny mpampakateny, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fifidianana loholona. Ny vanin’andro hanombohan’ny fanaterana ny antontan-taratasy firotsaha-kofidina no heverin-dry zareo ananany fahefana ny mametraka ny lamina momba izany. Rehefa tsy […]