Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo sy ny morontsiraka avaratra atsinanan’ny Nosy. Tom-banana hahatratra 55 km isan’ora izany. Nanomboka omaly, teo anelanelan’i Itampolo sy Taolagnaro ary hitohy anio eo anelanelan’i Vohemar sy ny tanjona Bobaomby. Mety hisy ny fahasarotan’ny fifamoivoizana sy faharendrehana an-dranomasina ary ny fikorontanan’ny asa […]
Mois : octobre 2025
Unicef madagasikara : “Ny zo fototra ho an’ny ankizy no arovana”
Nanao fanambarana ny Unicef tany Nairobi, omaly, momba ny fiarovana ny ankizy ao anatin’ny fiatrehana ny korontana sy ny hetsika fitakiana eto Madagasikara. Voalaza fa manahy izy ireo amin’ny zavatra iainan’ny zaza sy ny ankizy manoloana ny zava-misy eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tokony ho laharam-pah-amehana ny fiarovana ny ankizy […]
Kianja Barea Mahamasina: Ho avy hijery azy ny Caf
Araka ny tsilian-tsofina, ho avy eto Madagasikara amin’ny tapak’ity volana oktobra ity, ireo manam-pahaizana avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (Caf). Hijery ifotony ny kianja Barea Mahamasina ny anton-diany eto mba hahazoana fankatoavana. Tsiahivina fa anisan’ny notakian’izy ireo ny fanatsarana ny bozaka filalaovana. Teo koa ny amin’ireo efitrano fisoloana […]
Basikety-World Tour Shenzhen : Nandresy an’i Croatie ary resin’i Australie ny Malagasy
Lalao roa no natrehan’ny ekipa malagasy “Nosy Bé”, ny faran’ny herinandro teo, ao anatin’ny fifaninanana “World Tour Shenzhen Chine”, taranja basikety 3×3, natao tany Chine. Rakotonirina Fiary Jonhson 1m 98 (kapiteny), Rakotovao Marco 1m 86, Rasolonandrianina Hasina 1m96, Arimanana Kanto Damie 1m96, ireo no nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Raha ny […]
DAKA AN-JORONY: Voatra ampangoro ny olombelona
Mangina tanteraka aloha izao ny fifaninanana eto an-toerana noho ny zava-misy eto amin’ny firenena. Fotoana afaka handinihin-tena ihany koa satria efa hifarana ny taona ka ao anatin’ny fanaovana tomban’ezaka sy fanavaozana ny mpitantana ny taranja sasany amin’izao. Ao anatin’izany, tsy misy afaka mirehareha ho nahavita na tsia satria voatra ampangoro […]




