Mois : octobre 2025

Filankevitry ny governemanta : Mitaky vokatra hita maso ny Praiminisitra

Niatrika avy hatrany ny filankevitry ny governemanta ireo mpikambana vaovao, notarihin’ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, omaly. Hentitra ny tenany tamin’izany. «Ilaina ny fitondrana vo­katra hita maso sy azo tsapain-tanana amin’ny ezaka rehetra hatao mba hahamafy orina ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra », hoy izy. Eo koa ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Miandrandra fanovana sy fanarenana haingana ny toekarena sy fampandrosoana ny firenena ny Malagasy rehetra taorian’ny fanendrena ireo mpikambana vaovaon’ny governemanta. Maro ny asa miandry ny tsirairay ary manantena rivo-baovao eo amin’ny sehatry ny toekarena ny isan-tokantrano. Miandry vokatra haingana sy mahomby avy ami’ny minisitry ny Toekarena ny Malagasy indrindra mahakasika […]

Letisia : Ho tsara ny vokatra amin’ity taona ity

Hanomboka ny 15 ka hatramin’ny 20 novambra ny taom-piotazana letisia eto amintsika. Ho tsara ny vokatra amin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, raha ny nambaran’ireo mpandraharaha. « Nisy ny ezaka nataon’ireo mpisehatra taorian’ny zava-nisy tamin’ny taon-dasa hanatsarana ny vokatra. Ity farany izay mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy […]

Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé : Manam-pahaizana momba ny toekarena

Anisan’ireo endrika vaovao ao anatin’ny governemanta ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, voatendry ho minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Manam-pahaizana momba ny toekarena sy mpampianatra eny anivon’ny oniversite ny tenany. Izy, araka izany, no handimby an-dRabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Fanamby goavana ny miandry ny minisitra vaovao, hanarenana ny toekarem-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany […]

Jeune Patronat de Madagascar (JPM): Hijery ny fomba fampandrosoana ny fandraharahana

Hitondra vahaolana hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahan’ny tanora sy ireo teboka hanohanana ny toekarena ny JPM mandritra ny fivoriambe ho ataony. Horesahina manokana ireo paikadim-panarenana sy ny hampandrosoana ny fandraharahana. Hotanterahina ny 26 novambra ny fivoriamben’ny «Jeune patronat de Madagascar» (JPM). He­tsika hamoriana ireo tanora mpandraharaha, mpitantana, manam-pahaizana amin’ny toekarena ary […]