Mirongatra indray ny fanolanana. Zazavavikely vao 9 taona sy 13 taona no lasibatry ny raikeliny. Mahazo vahana ny fifamotorana. Andrasana ny fampiharana ny lalàna. Mitady hahazo vahana indray ny fanolanana ankizy sy tovovavikely amin’izao fotoana izao. Tao anatin’ny herinandro, olona efatra no naiditra am-ponja. Ny tena zava-doza, ny ray aman-dreny […]
Mois : novembre 2025
Faragasy sy Dilo : Nahatafita hafatra ny « Soa Meva »
Tafiditra ao anatin’ny « Novembre numérique ». Ny sabotsy 15 novambra teo no nanatontosan’i Faragasy sy i Dilo (Eat My Butterfly) mpanakanto avy atsy amin’ny nosy La Réunion ilay fampisehoana an-tsehatra « Soa Meva ». Notazonin’i Faragasy hatrany ny aingam-panahy maha Malagasy azy teo amin’ny tontolon’ny famoronana. Nampiasa ireo zavamaneno vokatry ny fikarohana teto […]
MSK – Fi.Mpi.Ma maneran-tany : Hisy ny fampiasana ny fitomboka mena
Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma, 62 taona niorenana. Nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ity fikambanana ity sy ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina… Notanterahina, omaly, tao amin’ny efitrano malalaky ny Havoria etsy Anosy ny lanonana ho fanokafana ny fankalazana ny faha-62 taonan’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma […]
Rugby ho an’olona 7 : Laharana fahefatra ny Makis Ladies
Nifarana omaly, tany Kenya ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona vehivavy “Africa Women’s 7’s Tournament”. Toy ny tamin’ny taon-dasa, laharana fahefatra ny Makis Ladies. Resin’ny The Cranes Ouganda, tamin’ny isa 38 no ho 12 teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo. Tsy mbola afa-bela tamin-dry zareo Ogandezy indray ny […]
Hazakazaka Trail UCTS: Hisy ny fifaninanana ho an’ny ankizy
Hotanterahina ny 21 hatramin’ny 23 novambra ho avy izao, eto an-dRenivohitra, ny hazakazaka mitety vohitra sy natiora, « Ultra Trek des Collines Sacrées (UTCS) ». Hetsika lehibe izay karakarain’ ny Ortana izy ity. Imasoana ny hampiroboroboana ny fizahantany maharitra sy ny Fanatanjahantena eto Analamanga. Hampiavaka an’ity andiany ity, ny « Kilonga Trail (2,76 km) », […]




