Mois : novembre 2025

TSELATRA

Olona roa, lahy sy vavy, niara-nosamborin’ny mpitandro filaminana noho ny fambolena zava-mahadomelina teny Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly. Naha­­trarana fototra rongony 20 naniry tao amin’ireo olona ireo. Roa lahy mpisoloky amin’ny alalan’ny kalanoro sandoka nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Main­tirano, afakomaly. Nahazoan’izy roa lahy vola mitentina 20 tapitrisa, niampy firavaka volamena […]

Fivarotana sary mamoafady : Nalefa eny Antanimora ny tompon’antoka

Natolotra ny fampanoa­vana ny 12 novambra 2025 teo ny vehivavy 24 taona, tom­pon’antoka tamin’ny fivaro­tana sary mamoafady, an’ ankizy tsy ampy taona. Tao­rian’ny fakàna am-bavany azy teo anatrehan’ny mpitsara, nadoboka vonjimaika eny Anta­nimora ny tenany, mandra-piandry ny fotoam-pitsa­rana azy. Maro ny sarina zaza sy ankizy malagasy tsy ampy tao­na mivoaka […]

Naka an-keriny mpandraharaha: Jiolahy dimy lavon’ny polisy

Namoy ny ainy avokoa ny dimy tamin’ireo mpaka an-keriny tao Antsirabe, ny 13 novambra lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy ny mpandraharaha sady tompona orinasa iray ao an-toerana, ny alarobia 12 novambra lasa teo. Nametraka fito­riana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny fianakavian’ny lasibatra. Nanao ny fanangonam-baovao rehetra avy hatrany ny “Cellule mixte” […]

Nikasa hanafika : Jiolahy mitam-piadiana ravan’ny zandary

Ravan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra (CB) Fenoarivo, notarihin’ny GPHC Rakotonanahary Joro, ny alin’ny alahady 9 novambra 2025, ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana amin’iny distrikan’Atsimondrano iny. Notafihin’ny andian-jiolahy ny mpivarotra iray ao amin’ny fokontany Ambohimangidy, Ampitata­fi­ka, tamin’io fotoana io. Voa­roban’ireo mpanafika tamin’ izany ny entam-barotra, finday marobe ary vola 4 500 000Ar. […]