Mitondra fanazavana ny tomponandraikitry ny fandrindrana ny trano fonenan’ny mpianatra (Croua) eny Ankatso manoloana ny korontana niafara tamin’ny fanakatonana birao. Ny alarobia teo no nampiantso ireo mpianatra tsy ara-dalàna ny tomponandraikitra. Nanakorontana ny mpianatra, ka niezaka nifanazava tamin’ izy ireo ny tomponandraikitra, saingy henjan-droa ny tady. Nitaona namana ireo mpianatra, […]
Mois : novembre 2025
Secom : « Avereno ny fahazoan-dalana mamily fiara, taratasy”
Mitaraina ny mpitantana sekoly fianarana mamily fiarakodia eto Madagasikara, mivondrona ao amin’ny Secom. Efa nitondra ny hetahetany teny anivon’ny minisitera roa voakasika izy ireo. Mangataka ny hamerenana ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia vita amin’ny baoritra toy ny teo aloha ny Syndicat des écoles de conduite de Madagascar (Secom), araka ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nihaona tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, tetsy amin’ny biraony, Ambohijatovo, omaly, ny filohan’ny Kaonfederasionina afrikanina ny baolina kitra teo aloha, i Ahmad Ahmad. Tanjona ny fifampizarana traikefa amin’ny fitantanana sy ny hampiroboroboana ny taranja baolina kitra. Nodinihina manokana ny mahakasika ny fankatoavana ny Kianja […]
Baolina kitra – D2 Nasionaly : Fantatra ny datin’ny fifanintsanana
Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Toliara sy Mahajanga, ny 21 – 30 novambra ho avy izao, ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana D2 Nasionaly, taranja baolina kitra. Andrasana, araka izany, ny famoahana amin’ny fomba ofisialy izany avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hatramin’ny nanoratanay, omaly, tsy mbola nisy […]
Karate-«Open de Saint Denis» : Tompondaka i Fanomezantsoa Lauryne
Tontosa tany La Réunion, ny herinandro lasa teo, ny fiadiana ny amboaran’ny Karate Saint Denis, na “Open de Saint Denis”. Solontenan’ny Malagasy, nitondra ny anaran’ny klioban’ny Akka Avaradrano, i Fanomezantsoa Lauryne, izay mianatra ao Saint Pierre. Tsara ny vokatra ho azy satria voahosotra ho tompondaka tamin’ity fifaninanana ity i Lauryne, […]




