Lehilahy iray voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Sampana mikaroka ny fandikan-dalàna Atsinanana, ny 4 novambra 2025 lasa teo. Tratra nivarotra sy nitazona rongony izy. Nandritra ny fisavana ny tranony no nahatrarana rongony milanja 35 kg, izay nafenina tanaty valizy sy harona. Nosamborina ary nentina ao amin’ny Kaomisaria foibe Toamasina […]
Mois : novembre 2025
Fiara tra-doza teny amin’ny RN2: Maty tsy tra-drano ilay mpamily
Namoizana ain’olona iray indray teny anivon’ny lalam-pirenena faharoa, teo amin’ny sampanan-dalana Galois Ampasimadinika, Toamasina II, faritra Atsinanana, omaly. Fiara an’olon-tsotra marika Hyundai, niloko maitso, nisongona kamiao mpitatitra entana, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsy nanampo na inona na inona, araka izany, ny mpamily io fiara io, kinanjo nifanehatra tampoka tamin’ny kamiao […]
Ambohidratrimo: Mpivarotra rongony voasambotra
Notanan’ny zandarimariam-pirenena ny lehilahy mpivarotra zava-mahadomelina iray tratra tao Ampefiloha, fokontany Antanantanana, kaominina Iarinarivo, distrika Ambohidratrimo, omaly. Nanao angom-baovao teny an-toerana, manoloana ny fisiana olona manaparitaka rongony ny solontenan’ny zandary. Nidina ifotony tampoka nanao fisavana ny tokantrano voatondro ho mpivarotra eny amin’io fokontany voatondro io izy ireo. Tsy afa-nanda, nahitan’ny […]
Fanonganana ny ben’ny Tanàna : Nifamono ny olona, am-polony ireo naratra tetsy Anosizato
Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpanohana ny ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Anosizato Andrefana sy ny mpitaky ny hialany, omaly. Am-polony ireo naratra teo amin’ny loha vokatry ny tora-bato sy ny daroka nataon’ny samy mponina. Misesisesy ny fidinana an-dalambe ataon’ny olona, amin’ny fanalana sy fanonganana ny ben’ny Tanàna, raha ny […]
Baolina kitra : Hisedra an’i Guinée Equatoriale ny Barea
Na tsy manana lalao hatrehina intsony aza ny Barean’ i Madagasikara, hiatrika fihaonana ara-pirahalahiana sady fitsapana izy ireo. Io no fantatra raha ny fampitam-baovao tao amin’ny tambajotran-tseraseran’n Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), nivoaka omaly. Hifanandrina amin’i Guinée Equatoriale ny Barea ny alatsinainy 17 novambra ho avy izao. Lalao hotanterahina ao Antalya, […]




