Mois : novembre 2025

Ambatondrazaka : Tratra ny vato ametista 19,30 kilao

Araka ny vaovao nampitain’ny Polisim-pirenena Fip Ambatondrazaka, nisy vatosoa tsy ara-dalàna, ametista, mi­lanja 19,30 kilao, tratran’izy ireo ny alahady 2 novambra teo. Voalaza fa avy any anaty ala faritra arovana any Tanandava, eo amin’ny fizaran’ny faritra Alaotra Mangoro sy Analanjirofo no nivoahan’ireo vatosoa ireo. Nandray andraikitra avy ha­trany ny talem-paritry […]

Fondation Tany Meva : Hanomboka ny tetikasa Miaro sy Mikolo

Harovana sy harenina ny tontolo iainana any amin’ny tapany avaratra sy avaratra andrefan’i Madagasikara. Fiaraha-miasan’ny Fondation Tany Meva sy ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Nampahafantarina, oma­ly, tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa Miaro sy Mikolo, novolavolain’ny fikambanana Fondation Tany Meva ary vatsian’ny Antokon­draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) vola, […]

INDRAY MIJERY

Tontosaina mandritra ity herinandro ity ny fanaraha-maso ny Phagdis SDSP Tsiroanomandidy. Hetsika iarahan’ny tomponandraikitry ny programa tsirairay eo anivon’ny distrika sy faritra, notarihin-dRamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Bongolava. Tanjona ny hanaraha-maso ny fitantanam-panafody, ahafahana manolotra fahasalamana ho an’ny rehetra. Mitana andraikitra lehibe amin’ny fanorenana firenena matanjaka sy mandroso ny minisiteran’ny Fam­pianarana […]

Lapan’ny Tanàna : Manameloka ny fidirana an-keriny ny SACUA

Manoloana ny fidinana an-dalambe ataona vondron’ olona sy ny mpanao politika, manameloka ny fidirana an-keriny ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny sendikà mahaleo tena eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Ren­ivo­hitra. Nambaran’izy ireo fa sokajina ho fanafihana Lapa ny fidirana an-keriny ao. Anja­ran’ny fanjakana ny miaro izany. “Tsy resaka fiarovana na tsia […]

Taom-pahavaratra 2025-2026: Ampifanarahana ny vina sy ny asa atao

Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny atrikasam-pirenena momba ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2025-2026. Niara­hana tamin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, ny MGD, ny Pam ary ny BNGRC izany. Mampikorontana ny fiainan’ny zavaboahary ny fiovaovan’ny toetry ny andro kanefa tsy azo ihodivirana noho ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Anisan’izany ny […]