Mois : novembre 2025

Fandaharanasa PLAE IV : Fahombiazana ny tany amin’ny faritra Sofia

Nanomboka ny taona 2017 hatramin’ny taona 2022 ny Fandaharanasa iadiana amin’ny fihotsahan’ny tany, andiany fahefatra (PLAE IV). Teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), novatsian’ny firenena Alemà, tamin’ny alalan’ny KFW ara-bola. Fa­ritra efatra no voakasiky ny fandaharanasa: Amoron’i Ma­nia, Masiatra Ambony, Iho­rom­be ary Sofia. Tanjona ny hiarovana ny […]

Famatsian-jiro : Miverina ny fahatapahan’ny herinaratra

Tao anatin’ny andro vitsy, lasibatry ny fahatapahan-jiro ny ankamaroan’ny fokontany eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Omaly, efa intelo tapaka farafahakeliny ny herinaratra, izay samy naharitra manodidina ny ora roa avokoa. Mbola tsy tafiditra ao anatin’izany ilay fahatapahana maharitra ny hariva. Nilaza ny Jirama fa miiba tanteraka ny haavon’ny tohodranon’Andekaleka izay […]

Vola 7 miliara Ariary tsy voaverina: Nanomboka ny volana mey 2024 no tsy nahaloa trosa ny SMGD

Nitondra fanazavana momba ny resa-bola eo anivon’ny Cnaps ny tale jeneraly, Rahaingonjatovo Vimbina, omaly, tetsy Ampefiloha. Anisan’ny noresahiny ny manodidina ilay vola 11 miliara Ariary, nindramin’ny SMGD. Nanambara ity tomponandraikitra ity fa ho alain’ny Cnaps ny So­ciété municipale de gestion digitale (SMGD), raha tsy voaloa ny 7 miliara Ar ambiny. […]

TARATRY ny KANTO

Tsy raikitra ny hetsika nokasain’ny vovonan’ny Mpitankasina Mijoro eny Anatirova. Saika hanatontosa ny famerenan-kasina ho an’ny Rovan’Anta­nanarivo izy ireo, anio, kanefa tsy nahazo alalana na nanova ny fandaharam-potoana. Misy ihany ny hetsika hatao amin’ny maha andro voatondro azy, saingy any amin’ny toeran-kafa. Nanambara kosa ny mpitanana ny Rova, fa noho […]

Tarika Rheg : Andiany faha-14 ny « November Rock »

Iray amin’ireo hetsika lehibe fanao isan-taona eo amin’ ny tontolon’ny rock ny «November Rock». Hotan­terahin’ny tarika Rheg, ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny 15 novambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, izany. Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-14 ity seho ity. Niainga tany amin’ny taona 2000. Efa lalan-davitra no nodiavin’ny «Rock Heavy […]