Mois : novembre 2025

Fiaraha-miasa amin’ny Vondrona eoropeanina : Hafaiganina ireo tetikasa famatsian-jiro sy rano

Fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara. Io no anisan’ny nifantohan’ny dinika teo amin’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina, i Roland Kobia sy ny praimanisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, omaly. Voaresaka tamin’izany ny amin’ny ho fizotry ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Nampahafantarin’ny vahiny ny fikasan-dry zareo ha­nokatra indray ny famatsiam-bola sasany, izay voasakana nandritra […]

TSELATRA

Lehilahy iray 20 taona tratran’ny fitsaram-bahoaka tetsy amin’ny Rond-point Volahanta Anosibe, omaly tamin’ny 10 ora maraina. Nikasa hanolana ankizivavikely enin-taona izy no nisy nahita ka nosamborin’ny foko­nolona. Nosamborin’ny polisy avy hatrany izy taorian’ izay ary nentina any amin’ny biraon’ny polisy Maha­masina. Olona dimy namoy ny ainy vokatry ny fifandonana teo […]

Famonoana an-rRasazy Narindra : Olona telo voaheloka higadra 20 taona

Niakatra fitsarana teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, efitrano fa­hefatra, omaly, ny raharaha ma­hakasika ny famonoana ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Mangataboahangy, ny 21 febroary 2025 lasa teo. Na­nomboka tamin’ny 9 ora, ha­tramin’ny 6 ora hariva ny fihainoana ireo olona 18 voampanga sy voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Taorian’ny fihainoana ny rehetra, […]

Fandrindrana ny fifamoivoizana : Miato ny fisavana ataon’ny polisy an-dalambe

Miatrana eny an-kianja hatrany saingy miato ny fisavana an-dalambe ataon’ny polisy misahana ny fifamoivoizana, araka ny naoty nivoaka teo anivon’ny polisim-pirenena, omaly. Mifototra amin’ny fampiharana ny asa amin’ny ankapobeny, toy ny fampanarahan-dalàna sy fa­nentanana ny vahoaka hanara-dalàna ny polisim-pirenena. Tsy hisy, mandritra ny fotoana tsy voafaritra, ny fisavana ma­hazatra ataon’ireo […]