Mois : décembre 2025

VAOVAO TAMBATRA

Miverina amin’ny laoniny ny fampiakarana rano (station de pompage) ao amin’ny kaominina Ivato, distrika Vohipeno. Vahaolana lehibe ho an’ny tantsaha, indrindra amin’ny fambolem-bary. Ahitana vavany 3, samy manana tosika 600 m3/ora. Mandeha amin’ny herin’ny masoandro (98 kW), manondraka lemaka 350 ha. Efa ho 50 taona no nisy fitaovana fampiakaran-drano farany […]

Tetikasa CGHV : Notokanana ny baka vaovao Volobe Amont

Nanolotra fitaovam-pitaterana tena ilain’ny daholobe ny orinasa CGHV, misahana ny fananganana tohodrano le­hibe, mamokatra herinaratra any Volobe, Toamasina II. Notokanana ny 13 desambra teo, tany Andringaringa, kaominina Fanandrana, distrika Toamasina II, ny baka vaovao Volobe Amont (TMF25118). Zava-dehibe ity dingana ity amin’ny fanatsarana ny five­zivezen’ny mponina sy ny mpandraharaha manodidina. […]

Fampandrosoana : 6,7% ny tahan’ny tsy fana­nana asa eto amintsika

Ambany ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara. « Misehatra amin’ny tsy ara-dalàna sy amin’ny tsy ara-drariny ny ankamaroan’ny mponina ary sarona ao anatin’izany ny tahan’ny tsy fananana asa ». Io ny nambaran’ny tale jenera­lin’ny fampiroboroboana ny fampananasa, ao amin’ny mini­siteran’ny Asa, ny fampananasa ary ny asam-panjakana (MTFO), Ange Simonia, nandritra ny […]

Voka-pikarohana siantifika : Manan-danja amin’ny fitrandrana ny tontolo iainana

Ilaina ny manaraka ny voka-pikarohana siantifika amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary mba hiantohana ny famokarana ara-drariny sy manaja tontolo iainana. Miantoka ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena ny tontolo iainana, noho izy mpamatsy ny akora samihafa hotrandrahina. Nivoitra izany nandritra ny fikaonandohan’ny mpikaroka, « Colloque scientifique de l’école doctorale […]

TARATRY ny KANTO

“Hitono kalo 2.0”. Haverina indray anio tolakandro, manomboka amin’ny 2 ora, ao amin’ny Efi­trano Dox, Tranombokim-pirenena. Antsa tononkalo miavaka, iarahana amin’i Riva sy Onja Rakotomalala izy ity, hitondran’izy ireo ny sanganasa voafantina, mifanaraka sy mifaningotra mba hitana ny fo amam-panahin’ireo izay hanatrika. Efa andiany faharoa ny hetsika, noho ny fahombiazan’ny […]