Mois : décembre 2025

Fametrahana ny rafi-pitondrana: « Tokony hiainga amin’ny soatoavina », hoy ny AAM sy ny AOM

Nanao fanambarana sy nanome soso-kevitra aroso amin’ny fikaonandoham-pirenena ny Anteni­mieran’ny andriana merina (AAM) sy ny Antenimieran’ny oloben’i Madagasikara (AOM), ny herinandro lasa teo. “Tokony hapetraka eto Ma­dagasikara ny rafi-pitondrana miainga amin’ny soatoavina sy ny fomba amam-panao maha Malagasy”, hoy An­drianjanaka Vahaniaina José, fitokaja eo anivon’ny AAM. “Tokony hofidiana amin’ny alalan’ny […]

Faritra Vakinankaratra: hitadiavam-bahaolana ny olan’ny tany

“Asa maika indrindra, hitadiavam-bahaolana ny olana ara-tany sy ny famariparitan’olona ny tanim-panjakana eto Antsirabe”, hoy ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra mpisolo toerana, Ravaonirina Nathalie Sebastienne, nandritra ny fandraisany ny andraikitra vaovao tao Antsirabe, ny herinandro lasa teo. Hanao izay tratry ny heriny koa izy, raha ny nambarany, ho amin’ny fampandrosoana ny […]

Aretina ongobe, bilarziozy, sakoitra: nizarana fanafody maimaimpoana ny ankizy

Mitohy ny asa ho an’ny fa­hasalamam-bahoaka. Vita soa aman-tsara ny fanaovam-baksiny faobe ho an’ireo zatovovavy hisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy vaksiny ho an’ny zaza hisorohana ny fiparitahan’ny kitrotro. Mitodika manokana amin’ ny zaza (5-14 taona) indray ny fizarana fanafody misoroka amin’ny bilarziozy. Mahazo ny anjarany koa ny zaza mihoatra […]

Foara Torolalana ho an’ny tanora: fampahafantarana ny fiofanana teknika sy fanofanana arakasa

Tanterahina etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, amin’izao fotoana izao, ny Foara Torolalana ho an’ny tanora. Samy mahazo tombony ny mpianatra sy ny toeram-pampianarana. Nanomboka omaly, hifarana anio, ny hetsika Foara To­rolalana ho an’ ny tanora. Tan­terahina etsy amin’ny Kianja Barea ny hetsika. Ahitana tranoheva 20, misy ny ivontoeram-panofanana tantanin’ny fanjakana […]

Foano ilay “Facebook”!

Tena aleo mihitsy angamba hakatona any ity “facebook-facebook” ity eto Madagasikara. Mankarary an-doha ny mahita ny vaovao miely isan’andro. Tena tsy misy raha manjary sy mba fijery miabo. Tena kilalao maloto, andro aman’alina. Manginy fotsiny ny fahavetavetana ara-panahy maha olona. Toa fifamotehana sy fifanimbana an-kitsirano no bobaka. Raha hofaizina sy […]