Mafana ny fifanintsanana “Can 2025”, atao any Maroc, amin’izao fotoana izao. Efa tsara toerana sy tafita hiatrika ny dingan’ny ampahavalon-dalana fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, i Egypte, Nigeria ary i Algérie. Samy nahita fandresena roa avy tamin’ny fihaonana isam-bondrona, izy ireo. Mbola mitady isa sy fandresena kosa ny mpilalaon’i Comores, […]
Mois : décembre 2025
Rugby: nampifaly ireo mpilalaony ny Rosa club de l’Imerina
Noho ny asaramanitra, tsy nanadino ny mpilalao ao aminy ny tomponandraikitry ny fileovana Rosa club de l’Imerina III G Hangar Antohomadinika. Omaly, tetsy amin’ny tokontany EKAR Antohomadinika, notolorana fanomezana, “panier garnis”, sy lelavola ireo mpilalao sy mpitantana miisa 110 mianadahy mianaka, hiatrehany ny fety. Nanome izany, i Lock Hong Maxime […]
Judo-“Coupe de Mada”: lohalaharana hatrany ny klioban’ny Esca
Nisongadina ny Judo club Esca, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara natao tany Toamasina. Nandray anjara ny klioba 24 avy amin’ny ligy 6 manerana ny Nosy. Klioba sangany sy tsy mbola lefy laza, hatreto, ny Judo club Esca, raha eo amin’ny fifaninanana eto an-toerana. Nitana ny laharana voalohany indray izy […]
Minisitry ny Serasera tao Toamasina: tsy nahafa-po ny mpanao gazety maro an’isa
Fahadisoam-panantenana ho an’ny mpanao gazety maro an’isa ny tao Toamasina. Nihevitra izy ireo fa ho toy ny teo aloha rehetra ny ataon’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Ogascar Fenosoa, nandritra ny fitsidihany voalohany ny faritra Atsinanana, ny 23 sy 24 desambra lasa teo. Nitokana fotodrafitrasa maroloko tao amin’ny Kianja […]
By-Pass: mpitondra moto nofaohan’ny 4×4
Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny By-Pass, afakomaly tolakandro. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko fotsy nandona mpitondra moto. Nipitika nivoaka ny arabe ilay mpitondra moto sy ny olona iray hafa ary ny moto notaingenan’izy ireo nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny By-Pass, tsy lavitry ny orinasa Habibo, afakomaly tolakandro. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko fotsy […]




