Nofatoran’izy telo vavy ny mpanampy ka noraofiny ny vola 2 tapitrisa Ar, niampy finday telo sy kojakoja fikarakarana volo, tao amin’ny tokantrano iray, teny Andraisoro, ny 9 desambra teo. Niditra an-tsokosoko tao amin’io tokantrano io ireo mpanao ratsy. Notanan’izy ireo ilay mpanampy. Tsy nahatohitra ity farany ka nofatoran’ireo tsy mataho-tody. […]
Mois : décembre 2025
Besarety: Lehilahy iray maty nirodanan’ny trano
Olona telo mianaka no nirodanan’ny trano, afakomaly, tetsy Besarety. Namoy ny ainy tototry ny tany ilay raim-pianakaviana, avotra kosa ny vady aman-janany niaraka taminy tao an-trano. Nirodana tanteraka, vokatry ny ora-nikija, ny trano misy rihana roa sy efitra maromaro, etsy Besarety, afakomaly hariva tamin’ ny 5 ora sy sasany. Nahafatesana […]
Manoloana ny fiovan’ny toetr’andro : Nanao fanazarana amin’ny fiatrehana loza ny faritra 15
« Tany amin’ny taona 2013-2015, faritra 16 amin’ny faritra 22 no voafaritra fa marefo. Amin’izao fotoana izao, marefo avokoa ny faritra 24 noho ny fiovan’ny toetr’andro », hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel, omaly, teny Andrainarivo. Efa fanao isan-taona ny fanazarana amin’ny fiomanana momba ny fiatrehana ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Manomboka miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Lasa 3 600Ar ny kilaon’ny vary gasy raha toa ka 3 400Ar izany andro vitsy lasa izay. Manahy sahady amin’ny fiakaran’ny vidim-bokatra ny mpanjifa manoloana ny rotsakorana misesisesy misy amin’izao fotoana izao. Sambany tsy nahitam-piakarana ny atody amin’izao ankatoky ny fety izao. Betsaka ny […]
BNI Lovain-jafy: Manasongadina hatrany ny fandraharahana maitso
Namiratra indray ny tontolon’ny toekarena maharitra tamin’ny alalan’ny fanolorana ny « Trophées BNI Lovain-jafy », notanterahin’ny BNI Madagascar tao amin’ny Axian University, Andraharo, ny 10 desambra 2025. Nisongadina tamin’ity hetsika ity ny firaisankina teo amin’ny sehatra tsy miankina, ny teknisianina ary ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanohanana ny tontolo iainana. Eo anilan’ny […]




