Nandray ny ONG Solaire sans frontières sy ny Amicale Razanamanga ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio, tamin’ity herinandro ity. Misehatra amin’ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro ny ONG Solaire sans frontières sady mifarimbona amin’ny fikambanana marolafy ho fitsinjovana ny sosialin’ny mponina amin’ireo toerana farany […]
Mois : décembre 2025
Pancrace-MMA/Kick: Nisongadina ny klioban’ny Tsunami
Tontosa ny alahady 7 desambra lasa teo, tao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny “Combat de défi”, teo amin’ny taranja haiady Pancrace-MMA sy Kick Boxing. Katrok’ ady 12 no nitranga ary nisongadina ny klioban’ny Tsunami izay nibata fandresena 4 tamin’ireo ady 12 natao. Teo amin’ ny sokajy vehivavy, latsaky ny 77 […]
Nogiazana ny kaontin’ny vondrona Sodiat : Tsy ho voaloa ny karaman’ny mpiasa
« Avelao izahay hiasa », hoy ireo mpiasan’ny orinasa ao amin’ny vondrona Sodiat, omaly, teny Mandrosoa Ivato. Miharatsy ny toe-javatra miseho ao anatin’ny orinasa, araka ny fanambaran’ny mpitondra tenin’ny mpiasa. Nandritra ny hetsika voalohany, voalaza fa misy kaonty maromaro nogiazana ka misy kaontin’ny orinasa sy kaontin’ny filoha tale jeneralin’ny vondrona, Ravatomanga Mamy, […]
Tsipy kanetibe Analamanga : Lany ho filohan’ny ligy Andriantsiferana Ravaka
Taorian’ny famerenana ny latsa-bato, tanteraka soamantsara ny fifidianana izay ho filohan’ny ligin’Analamanga sy Matsiatra Ambony. Lany hitantana Andriantsiferana Ravaka ho an’Analamanga, ary Randrianarivahiny Dina kosa ny an’i Matsiatra Ambony. Tontosa omaly, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny fifidiananana izay ho filohan’ny Ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe. Lany hitantana izany, mandritra ny efa-taona […]
FANTINA sy FINTINA
Hisy fahabangan-toerana maharitra ny Antenimierandoholona noho ny fanafoanana ny fifidianana loholona, tokony hatao amin’ity volana ity. Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, fa miandry ny fanapahan-kevitry ny fikaonandoha ny momba izany. « Afaka miantsoroka ny asan’ny loholona koa anefa ny Antenimierampirenena », hoy izy. Hentitra Raharimanana Patrick. Tsy tokony ho fitaovana hamelana ireo […]




