Mois : décembre 2025

TSELATRA

Vehivavy telo voasambotry ny polisim-pirenena teny Andraisoro, ny 9 desambra 2025, tokony ho tamin’ ny 11 ora atoandro, lasa teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray teny Andraisoro Ampasambahiny izy ireo. Nofatorany ny mpanampy tao amin’ilay trano ary nalain’izy ireo ny vola 2 000 000 Ariary, tablette iray, finday telo […]

Mpanampy an-trano : Nentiny nitsoaka ny 3 tapitrisa Ar sy zaza iray

Lasa nitsoaka niaraka ta­min’ny vola mitentina 3 700 000 Ariary sy ankizivavy 14 taona, kilasy fahavalo, ny lehilahy 21 taona, antsoina hoe: Tia­vina, afakomaly hariva. Mpa­nampy an-trano tetsy Ano­sibe Tsena izy io. Mpi­va­rotra yaourt mandehandeha ny asan’ny renin’ ilay ankizi­vavy nitsoaka nia­raka tamin’io mpanampy io. “Lasa nivarotra maraina toy ny mahazatra […]

Asan-jiolahy tao Toamasina : Roa lahy voaheloka higadra 10 taona

Tsy mitsitsy ny sazy! Roa lahy voaheloka asa an-terivo­zona 10 sy 7 taona, taorian’ny fitsarana azy ireo teo anivon’ ny Fitsarana misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina, afakomaly. Vokatry ny firongatry ny asan-jiolahy izay efa mam­pikaikaika ny rafi-piarahamonina ao an-toerana, tsy mande­fitra manoloana ny fandikan-dalàna ataon’ny olon-dratsy ny mpitsara. […]

Behoririka : Ankizivavikely maty voahitsaky ny taxi-be

Voahitsaky ny fiara fitateram-bahoaka tetsy Behoririka, omaly tolakandro, ny ankizivavy 8 taona. Novonjena tany amin’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy. Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ ny lalana Razafindramanta, Behoririka, omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy 15 minitra tolakandro. Niseho teo akaikin’ ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka […]