Mois : décembre 2025

Minisiteran’ny Fampianarana ambony : Mbola malalaka ny tsenan’ny asa ho an’ny niomerika

Nisongadina nandritra ny fihaonan’ny mpiantsehatra niomerika maro tetsy Fiadanana, omaly, ny nahafantarana fa mbola tena midadasika ny tsenan’asa amin’ity sehatra ity eto Madagasikara.  Manodidina ny 30 000 ny tsenan’asa misokatra momba ny niomerika eto amintsika kanefa dia 4 000 monja ny mpianatra mivoaka isan-taona amin’ity lalam-piofanana ity, raha ny fanazavan’ny teknisianina […]

FANTINA sy FINTINA

Nametra-pialana ny tale jeneralin’ny CIS, ny Contrôleur général de police Libiria Ruffin Toloja­nahary. Nambarany ho anton’izany ny andraikitra hafa horaisiny any amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Voa­tendry hisolo azy ny Kly Rabemanantsoa Fetrarivo. Kao­mandin’ny zandary ao Ambositra ny tenany, farany teo. Nilaza ny hiverina amin-kery ny HVM, araka ny hita ao anaty Facebook. […]

Fifidianana lehiben’ny Faritra: Aorian’ny fikaonandoham-pirenena

“Taorian’ny fanafoanana ny fanendrena ireo governo­ran’ny Faritra: voatery hiroso amin’ny fanendrena vonji­maika ireo lehiben’ny Faritra aloha ny fitondram-panjakana eo anivon’ny filankevitry ny minisitra”. Io ny fanambaran’ ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, voaray tamin’ny fampitam-baovao, omaly. Tsy inona fa ny amin’ny fanendrena lehiben’ny Faritra amin’izao fitondrana izao. Mba […]

Hatraiza ny fahefana?

  Raha nanaraka akaiky ny vaovao omaly isika dia nahazo vahana ny fitokonana nataon’olon-tsotra na vondron’olona samihafa. Nitokona ny mpiasan’ny gara, nitokona ny mpivarotra amoron-dalana. Mitokona ihany koa, nanomboka omaly, ny mpiasa eny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Samy manana ny antony nitokonana izy rehetra! Ny azo ambara dia nirava ho […]

Fiaraha-miasa iraisam-pirenena: Hogiazana ireo kaontim-bola maloto napetraka any Soisa

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady sekreteram-panjakana eo anivon’ny fitsarana any Soisa, Franz Xaver Perrez. Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Nifanaiky ny roa tonta ta­min’izao fihaonana izao fa hogiazana ireo fananana sy kaontin’ny teratany malagasy, tafiditra anaty vola maloto, napetraka any […]