Tsy an-kiato ny asan’ny borigady manokana misahana ny ady amin’ny hosoka amin’ny zavakanto sy ny vakoka na ny BAP. Nisy ny fandorana ireo vokatra hosoka notontosaina omaly, teny amin’ny fokontany Morondava. Kapila manodidina ny 5 000 isa eo, miampy an’ireo “décodeurs” tsy ara-dalàna toy ny “Hello box”, sns, no nopotehina […]
Mois : décembre 2025
Sarimihetsika « R+3 »: Mamaly ny fanontanian’ny maro ny andiany fahatelo
Fahatelo sady farany. Fotoana ela no efa nandrasan’ireo mpanaraka ny sarimihetsika « R+3 », ny andiany fahatelo, izay nivoaka nanomboka omaly. Ao mantsy ny valin’ilay misitery tsy naseho tsara hatrany am-boalohany. «The Judgement of Time». Izay no nampisalorana ny andiany fahatelo amin’ilay andiana sarimihetsika «R+3». Nalefa voalohany tao amin’ny Cinépax […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy nitsitsy fitenenana ny kardinaly Tsarahazana Desiré. Nambarany ny alahady teo, tao Toamasina, fa tompon’andraikitra amin’ny fahantrana ny kristianina. Nohitsiny fa milaza azy ho kristianina ny 95% amin’ireo tomponandraikitra sy mpitantana rehetra. « Endrika ivelany ihany izany ary manao sinema fotsiny isika rehefa mivavaka », hoy izy. Tsy misy ambonin’ny lalàna ka […]
Fanaovana sy fivarotana toaka gasy : Andrasana ny didy fampiharana ny lalàna vao lany
“Lany soa aman-tsara ny tolo-dalàna. Mikitika ny fitondram-panjakana amin’izao mba hanafaingana ny fanatanterahana azy. Ny famoahana didy fampiharana sisa no andrasana”. Io no nambaran’ny depiote tsy miankina voafidy tany Ambositra, Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges na Liva Rason, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fanaovana sy fivarotana toaka gasy eto Madagasikara. Izy no […]
Tsy fahotana velively
Nahoraka sy nanaovana resabe indray omaly ny maha olon’ny antoko TGV ny minisitry ny Fanabeazan-pirenena. Narantiranty manerana ny tambajotran-tserasera ny fanamiana volomboasary nanaovany. Manginy fotsiny ny fanambarana ampahibemaso nataony, ho fanohanana ny Filohan’ ny Repoblika teo aloha, Rajoelina Andry, tamin’izany fotoana. Mahazo aina avokoa ireo mpanenjikenjika fahatany nahita izany. […]




