Niakatra fitsarana, tetsy anivon’ny ady heloka bevava Anosy, efitrano fahadimy, ny raharaha famonoana raim-pianakaviana 59 taona, mpanakalo vola vahiny, tetsy Analakely, ny volana janoary 2025. Nahatratra 21 ireo olona voarohirohy tamin’io raharaha io. Olona dimy voasazy higadra mandra-pahafaty. Lehilahy iray hafa voasazy higadra 20 taona an-tranomaizina. Izay tsy tonga niatrika […]
Mois : décembre 2025
Fiara nifaoka olona anaty fiampitana : Olon-dehibe roa maty, ankizy dimy naratra
Volana anisan’ny itrangana lozam-pifamoivoizana maro ny desambra. Tao anatin’ny 24 ora, lehilahy iray maty, ankizy dimy naratra. Tompon’antoka ny fiara nipoitra tampoka, nifaoka mpandeha an-tongotra anaty fiampitana. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana tra-doza teo Ankorondrano, omaly alina. Tompon’antoka tamin’izany ny fiara marika Starex iray nipoitra tampoka ka nifaoka mpandeha an-togotra […]
Rugby – “XXL Top 12”: Tsy mbola afa-bela tamin’ny Cosfa ny USA
Nitohy ny alahady teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahadimy iadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja rugby, “XXL Top 12”. Tsy mbola afa-bela tamin-dry (Cosfa) Bebaoty indray ry zareo USA (Ankady). Niondrika tamin’ny isa tery, 16 no ho 14. Niady hatramin’ny “gong” farany ny lalaon’ny roa tonta. Nitarika tamin’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny filazan’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tetsy Isoraka, hatomboka ny 21 desambra ho avy izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, « Pureplay Football League » (PFL). Marihina fa tsy mbola fantatra izay ho mpifanandrina amin’izany eo amin’io kianja io. Nilatsaka eo amin’ny […]
Judo-“Open d’Afrique Abidjan”: Nandrombaka medaly volafotsy i Zo
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny fifaninanana “Open d’Afrique Abidjan”, taranja Judo. Nanana solontena tamin’izany i Madagasikara ary tsy nitsanga-menatra. Andriambololona Zo Hajanirina, izay nifaninana teo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 78 kg, no niaro ny voninahi-pirenena ka nandrombaka ny medaly volafotsy. Vao tany am-panombohan’ny fifaninanana […]




