Mois : décembre 2025

Mesupres-Fondation Viseo : Mifanome tanana hanarenana ny Oniversite

Vita sonia ny alakamisy teo, tao amin’ny Atelier Luban, teny amin’ny Sekoly ambony Polyteknika Vontovorona (ESPA), ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny Fondation Viseo mahakasika ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba eny anivon’ny Oniversite. “Tanjona ny hanomezan-danja ny toeram-pianaran’ny mpianatra izay fototra iorenan’ny fampandrosoana […]

TARATRY ny KANTO

Hisy ny fampirantiana sary, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy. Hisokatra manomboka anio izany, hatramin’ny zoma 5 desambra ho avy izao. Ao anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo izy ity, ho fanehoana ny herin’ny asa an-tsitrapo eny anivon’ny fiarahamonina ireo sary nofantenana. Sary manaitra, feno hafatra, sy fihetseham-po, […]

Sehatra Bagasy volana desambra: Hotanterahina ny « Atrikefa famaranan-taona »

Raikitra! Hiavaka ny ha­ma­ranana ny taona 2025 ho an’ny Sehatra Bagasy sy ireo mpivoy sy mpanandratra ary mpikolokolo ny bagasy. Ho­tan­terahina ao amin’ny efitrano malalaka Aro Antsahavola ny « Atrikefa famaranan-taona 2025», ny sabotsy 6 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. «Hanamboarantsika fehezam-boninkazo ho an’ny taona 2025. Hiarahantsika […]

« Bâtir l’espoir » : Nivoaka nankany France ny bokin’i Viviane Rahariniaina

Fitaovana iray mahomby ho an’ny ady amin’ny tsy rariny anaty fiarahamonina ny boky. Mampibaribary ny zava-misy, saingy mamelombelona ny fanantenana ho an’ny hoavy tsara kokoa. «Bâtir l’espoir» na «Ma­nangana fa­nan­te­nana» raha adika malalaka. Tsy fintina fo­tsiny ny lohateny, fa maneho avy hatrany ny hafatry ny mpanoratra, Viviane Rahari­niaina. Nivoaka tamin’ny […]