Ho tonga eto an-tanindrazana, amin’io volana janoary io, ny filohan’ny Federasionina iraisam-pirenena ho an’ny baolina kitra (Fifa), i Gianni Infantino. Hanavao ny sata mifehy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra ny anton-diany amin’izany. “Fanavaozana”! Nampafantarina omaly, tetsy Isoraka, fa raha tsy misy ny fiovana, ho avy eto Madagasikara i Gianni Infantino, […]
Mois : décembre 2025
Fisandohana sy fisolokiana: Pasitera iray voaheloka higadra 5 taona
Niakatra tetsy amin’ny Fitsarana ambony Toamasina, sampana misahana ny ady heloka bevava, ny alatsinainy 24 novambra teo, ny antotan-taratasin’ady lah. 83-Toa/25. Hanenjehan’ny fitsarana an-dRamilison Jean Emile, pasitera amin’ny fiangonana zandriny iray ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Toamasina izy ity. Anisan’ny loham-piampangana azy ny fihazonana olona an-keriny (séquestration de personne) sy fisandohana […]
Famonoana an’ i Tahina : Migadra mandra-pahafaty i Djailane sy i Zafilahy
Asa an-terivozona mandra-pahafaty sy onitra 80 tapitrisa Ar no didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly, nandritra ny fotoam-pitsarana ny raharaha anenjehana an’i Djailane Abdalah, 23 taona, sy i Zafilahy Fidelis Tsiahoana na i Le Baba, 21 taona. Niatomboka tamin’ny 9 ora sy 35 minitra ary […]
INDRAY MIJERY
Eto Madagasikara, mitodika any amin’ny fivavahana ny 40% ny olona rehefa misy olana ara-tsaina miseho eo aminy. 32,5 % manatona mpitsabo manokana toy ny psychiatre ary 2,5% mandeha eny amin’ny mpitsabo nentim-paharazana. Ireo ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny tomponandraikitry ny fahasalaman’ny saina. Amin’ny ankapobeny, maharitra enim-bolana fara fahakeliny ny fihinanana […]
Homamiadan’ny ra : Mila fanampiana maika i Mathieu kely
Zazalahy vao 4 taona monja i Mathieu no izao tratran’ny aretina homamiadan’ny ra, “stade 4” (Lymphome de Burkitt), izao, raha ny fanazavan’ny ray aman-dreniny. Ny volana jona 2025 no fantatra fa misy ity aretina ity izy ary efa nisy ny fandidiana natao, teo amin’ny kibony, azy. Miaina anaty fangirifiriana lalina […]




