Mois : décembre 2025

Faritra arovana an-dranomasina 5,2 tapitrisa dolara hanohanana ny mponina

Manohana ny fitantanana maharitra ny faritra arovana an-dranomasina tantanin’ny mponina eny ifotony (LMMA) ny Tahirim-bola maneran-tany ho an’ny tontolo mananaina (GBFF). Mitentina 5,29 tapi­trisa dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (Fem) ho an’i Mada­gasikara. Manatanteraka ny tetikasa ny minisiteran’ny Ton­tolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra […]

« Antson’ny tontolo miaina »: noravahina manokana ny seranam-piaramanidina Ivato

Noravahina sary hosodoko karazan-kazo ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa Ravinala Airports sy ny malagasy mpanakanto sangany miisa roa. Nanomboka ny taona 2023 ny hetsika « Antson’ ny tontolo miaina ». Amin’ity andiany fahatelo ity, lohahevitra noraisina ny hoe « Dendrophile », anehoana ny fankafizana ny hazo sy ny ala. Noravahina manokana, […]

Lycée Saint Jean Baptiste: mankalaza ny faha-90 taona niorenany

Mankalaza ny faha-90 taona niorenany ny Lycée katolika Saint Jean Baptiste Ambodivona Ambohitrimanjaka. Noso­kafana ny zoma laza teo, tamin’ny alalan’ny Sorona masina teo anivon’ny fiangonana Fo Masin’i Jesoa Ambodivona ny lanonana ivon’ny fankalazana. Notarihin’ny Vikera jeneraly Randriamampandry Wagner. Nitohy tamin’ny fitokanana ireo fotodrafitrasa telo eo anivon’ny sekoly izany. Nahitana ny […]

CHU JRA: misokatra ny fitsaboana ny rantsam-batana

Nitondra fanazavana ma­ha­kasika ny fandraisana ma­rary ao amin’ny sampandraharaha misahana ny orthopédie, tromatologie ao amin’ny CHU JRA ny profesora Rabe­mazava Alexandrio, dokotera mpandidy, manampahaizana manokana amin’ny fitsaboana sy fandidiana ny rantsam-batana. Ao amin’ny rihana fahatelo no misy ity sampandraharaha ity. Mandray an-tanana, isan’andro, ireo aretina mila fandidiana mitranga amin’ny ran­tsam-batana. […]