Mois : décembre 2025

Nosy Be Hell-Ville: jiolahy dimy naiditra am-ponja

Notanana am-ponja ny 19 desambra teo ireo dimy lahy mpanao asa ratsy voasambotry ny polisim-pirenena tao Nosy Be Hell-Ville. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny tokantrano iray anatin’ny fokontany Ambalamanga Befitina, ny alin’ny 11 desambra lasa teo. Nitondra fitaovam-piadiana sady nampiasa pilotra ireo mpandroba ka tsy nisy afa-namaly ny tompon-trano. Noteren’ireo mpanao […]

Fitandroana ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona: ampitomboina ny polisy miasa eny an-dalambe

Nanao fanambarana tetsy Anosy, ny avy amin’ny polisim-pirenena, omaly. Nana­ovan’izy ireo tatitra ny mahakasika ny fandaminana mandritra ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ary ny fitse­nana ny taona vaovao 2026 hoavy izao. “ Hiantsehatra manerana ny Nosy ny polisy mba hahafahan’ny Malagasy isan-tokantrano sy manerana ny Nosy rehetra mifety […]

Taksiborosy latsaka ambany tetezana: mpandeha 15 naratra, voa mafy ny roa

Nivoaka ny arabe, nifatratra tany ambany tetezana ny fiara mpitatitra iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina. Mpandeha am-polony naratra. Olona roa tamin’ireo mpandeha am-polony voa mafy taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo amin’ny tetezan’i Ikalamilotra, kaominina Beri­votra 5×5, distrikan’i Maeva­tanàna, omaly maraina. Nia­inga ny tolakandron’ny ala­hady 21 desambra […]