Mois : décembre 2025

Ivokolo Analakely : Hasongadina ny hira sy dihy vakodrazana

Nahazo ny anjarany ny mpanao hiragasy. Miara-dalana amin’izy ireo ihany koa ny vovonan’ny mpanao hira sy dihy vakodrazana, izay hasongadina ny alatsinainy izao. Mamerina, mamelona ary mampahafantatra. Andraikitra lehibe sa­hanin’ireo mpanakanto mpivoy ny hira sy dihy vakodrazana ireo. Antom-pisian’ny Vo­vonan’ny mpanao vakodrazana, ihany koa izany mba hanomezan-danja ny talentan’ireto mpitahiry […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanatsara ny fanaraha-maso ny fanarahan-dalàna, ny kalitaon’ny vokatra ary ny tontolon’ny indostria ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny inspektera indostrialy. Napetraka ny paikady sy ny fomba fiasa vaovao hijerena ny traikefa avy any ivelany entina hanatsarana ny asa eto an-toerana. Hojerena ny fametrahana ny «corps des inspecteurs industriels» hanohizana ny asa vita […]

Madagasikara Organica: Fambolena biolojika manatsara ny nofon-tany

Orinasa iraisam-pirenena anisan’ny nisantatra sy nampiasa ny teknolojiam-pambolena biolojika ny World Or­ganic Group. Teknika mana­tsara ny halonaky ny nofon-tany, tsy mampiasa zezika simika izay miantraika amin’ny tontolo iainana. Mihena ny fahalotoan’ny nofon-tany sy ny sosona mitahiry rano any ambanin’ny tany (nappes phréatiques). Izay no antony nananganan’ny World Orga­nic Group ny […]

Mission économique Madagascar: Kihondalan’ny mpandraharaha malagasy sy tonizianina

Hotanterahina eto Antananarivo ny 04-06 febroary ny « mission économique », hetsika karakarain’ny antenimieran’ny varotra sy indostria Tonizia-Madagasikara (CCTM). Tetezana hampifandray ireo mpandraharaha tonizianina sy Malagasy ity hetsika ara-toekarena ity. Lohahevitra amin’ity an­diany voalohany ity ny hoe «Madagascar, terre d’opportunités», izay miompana manokana amin’ny fampandrosoana, fampiasam-bola ary fiaraha-miasa maharitra. «Tanjona […]