Hanomboka amin’ny fomba ofisialy, rahampitso, any Maroc, ny andiany faha-35 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2025), taranja baolina kitra. Hanokatra ny lalao ny Lionan’i Atlas Maroc sy ny Coelacanthesn’i Comores, ho an’ny vondrona “A”. Fihaonana hotanterahina ao amin’ny Kianja Prince Moulay Abdellah Stadium, manomboka amin’ny […]
Mois : décembre 2025
FIBATANA FONJAMBY : Medaly 4 azon’ny Malagasy
Tsy nitsanga-menatra ny solontena malagasy niatrika ny Lalao afrikanina ho an’ny tanora (JAJ 2025), notanterahina tany Luanda, ny alakamisy lasa teo. Medaly 4 indray no norombahin’ny Malagasy mpibata fonjamby nandritra ity fifaninanana ity. Nisongadina tamin’ireo mpifanandrina taminy i Onjatiana Herman, tamin’ny lehilahy latsaky ny 56 kg. Nahavita nibata 87 kg […]
Faha-125 taonan’ny Rugby malagasy : Hifampihantsy ny CEA Andranomanalina sy ny Cosfa
Hidona amin’ny Cosfa, tompon’ny amboaran’i Madagasikara, ny CEA Andranomanalina, izay mitarika vonjimaika eo amin’ny fifaninanana “XXL Top 12”. Lalao fihantsiana fotsiny ihany izy ity, entina hankalazana ny jobily faha-125 taonan’ny Rugby teto Madagasikara. Tonga ny fotoana nandrasana! Hotanterahina manomboka anio, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fankalazana ny jobily faha-125 […]
FANTINA sy FINTINA
Mila omena lanja ny vehivavy ao anatin’izao fitondrana fanavaozana izao, araka ny fanehoan-kevitr’izy ireo, nanao atrikasa teto Antananarivo, omaly. Nohitsin’izy ireo fa maro ny fanilikilihana nihatra tamin’ny vehivavy mpanao politika nandritra ny fitondrana teo aloha. Nojerena tamin’izany ny anjara toeran’izy ireo, manomboka eny amin’ny fokontany. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo […]
Antenimierampirenena : “Aoka ny governemanta hanatsara ny sosialim-bahoaka”
“Miantso ny governemanta izahay hanohy ny ezaka ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka sy hanamafy ny ady amin’ny kolikoly izay napetraka ho laharam-pahamehana”. Io no namaranan’ny filoha Randrianasoloniaiko Siteny, ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, omaly. Nantsoiny ny hery velona rehetra handray anjara amin’ny dinika nasionaly hahazoana mametraka miaraka ny lalàmpanorenana […]




