Mois : janvier 2026

Is’Art Galérie : « Tambatra », fanehoan-kanton’ireo mpanao hosodoko

Mpanao hosodoko efatra, samy manana ny aingam-panahiny sy ny fironany amin’ny hosodoko, no hiara-hisalahy amin’ny « Tambatra ». Fampirantiana hanehoan’izy ireo hafatra iombonana amin’ny alalan’ny zavakanto. «Tambatra», maneho ny fiarahana, fiombonana, firaisankina, sns. Hanehoan’ireo mpanakanto ireo hevitra maro tsy tabaina, kanefa miboika ana­tin’izy ireo ihany koa. Fampi­ran­tiana iray, hahitana ny sanganasan’i Amir J, […]

VAOVAO TAMBATRA

Tantsaha miisa 191 ao amin’ny kaominina Ankerika, distrikan’Antsohihy, Faritra Sofia no nahazo fanohanana ara-pitaovana sy hanam-pamokarana avy amin’ny Minae tamin’ny alalan’ny Tetikasa Riz Plus izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Ny Tetika­sa Riz Plus dia mikendry ny hanatsara ny fiveloman’ny tantsaha miisa 40 000 any amin’ireo faritra roa iasany, dia i […]

Jono makamba vaventy: Mankany amin’ny fitantanana matihanina

Mitohy ny fanavaozana ataon’ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) ho fanatsarana ny fitantanana ny jono makamba eto Mada­gasikara. Antony indrindra na­naovana ny fivoriana fampahafantarana ho an’ireo orinasa malagasy liana amin’ny fitrandrahana ny makamba vaventy eto amintsika ny alarobia teo, teny Ampandrianomby. Ken­dre­na ao anatin’izay ny hahamatihanina kokoa sy […]

Data Center : Hanamora ny fifanaka­lozana ara-barotra

Dingana lehibe amin’ny fanavaozana ny varotra eto Ma­dagasikara ny “Data Center”. Fitaovana ara-teknolojika raitra natao hitehirizana sy hakana ireo atontam-baovao izay sitahana amin’ny alalan’ny vavahadin-tserasera momba ny varotra (PICM). Kendrena ny hanamorana ny fifanakalozana ara-barotra, hampitombo ny mangarahara ary hanamafy ny fahafahana mifaninan’ireo sehatra tsy miankina. “Tonga ny fotoana hanavaozana […]

Fandaharanasa Miary Digital II : 15 000 dolara ho an’ny mpandraharaha niomerika

Mitentina hatrany amin’ny 15 000 dolara isaky ny tetikasa no natolotry ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ho an’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny niomerika. Hetsika tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa ny fandaharanasa Miary Digital. Tanjona ny hanohana sy hanampiana ary hanolorana fitokisana an’ireo mpandraharaha niomerika ma­lagasy. Tonga nanatrika sy nanome […]