Iray volana katroka izay no nanaovan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny hetsika “fosika”, izay hitsirihana ireo diplaoma hosoka sy tsy fahatomombanana amin’ireo sekoly ambony. Nahatratra 272 ireo fitarainana voaray tao anatin’izay iray volana izany. 98 amin’izany no efa nandraisana fepetra rehefa voamarina sy voaporofo, ny ambiny kosa […]
Mois : janvier 2026
Loza mitatao vokatry ny vatobe: Hoentina eny anivon’ny filankevitry ny minisitra ny olana
Ampy ny tranolay handraisana ny traboina vokatry ny rotsakorana be fa ny toerana azo antoka hametrahana azy no manahirana indrindra eny amin’ny toerana avo izay tsy misy faritra malalaka hananganana azy. Mbola maro koa ireo olona tandindomin-doza amin’ny bolongam-bato eny amin’ny faritra avo no manohitra tsy mety miala amin’ny tokantranony, […]
TSELATRA
Nisy lehilahy iray tokony ho 25 taona, hita faty teo akaikin’ny fiandrasana bus Manambina Ambohimangakely, omaly, tamin’ny 05 ora hariva. Tsy nahitana taratasy famantarana ny mombamomba azy teny aminy. Tsy misy mahalalala azy io ihany koa ny mponina eny an-toerana. Iangaviana araka izany, ny fianakaviany mba handeha hijery ny razana […]
Vondrona Sodiat : Nahatratra 25 ireo fiara nogiazan’ny fanjakana
Nahatratra 25 ireo fiaran’ ny vondrona Sodiat, nogiazan’ny fanjakana, raha ny tatitra ofisialy navoakan’izy ireo, omaly. Nalain’ny mpitandro filaminana nandritra ny fotoam-pisavana teo anelanelan’ny volana novambra sy desambra 2025 avokoa ireo rehetra ireo. Araka ny loharanom-baovao azon’izy ireo hatrany, tsy nogiazana ary tsy notahirizina, araka ny lalàna ny sasany tamin’ireo […]
Tsaramasay : Trano narodan’ny mpamonjy voina
Voatery narodan’ny sampana mpamonjy voina ny trano lehibe iray misy rihana tetsy Tsaramasay, boriboritany fahatelo, omaly. Nahitan’ny manodidina fahasimbana toy ny triatra sy efa antitra io trano lehibe io. Tokantrano maromaro miorina manodidina azy ka voatery nandray fepetra hisorohana ny voina tampoka ny tomponandraikitra. Nanangon-tsonia ireo mponina manodidina mba hanatanterahana […]




