Mois : janvier 2026

Telo volana faharoa ny taona 2025 : Tafakatra 326 984 m³ ny fanjifana solika

Andry iankinan’ny toekarena ny solika noho izy miantoka ny fampandehanana sy ny fampandrosoana ny faritra iray. Tao anatin’ny telo volana faharoan’ny taona 2025, nahitam-piakarana ny fanjifana ny solika manerana ny Nosy. Vita ny fety. Manomboka miverina tsikelikely amin’ny andavanandro ny tokantrano tsirairay avy. Ma­nomboka ihany koa ny fitohanan’ny fiara, ity […]

FANTINA sy FINTINA

“Tsy misy ny fiatoana politika, na hoe ao anatin’ny fety aza. Isan’andro ny fampiharan-dalàna. Fomba fitantanana ny firenena ny politika, ka tsy azo tapahina na eo aza ny fety”. Izay ny fijerin’ny filohan’ny antoko Avotra ho an’ny firenena, ny Dr Razafindrakoto Harison, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy misy […]

Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Fo matoky no handinihantsika ny fanavaozana”

“Enga anie ka fo matoky no handinihantsika ny fanavaozana tiantsika hajoro eto Ma­dagasikara. Ary tsy atao ambanin-javatra ny fitsinjaram-pahefana tena izy”. Io ny fiarahaba sy firariantsoan’ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tany Toamasina, ny fiandohan’ny taona teo. Ampy izay ny fa­naovana ny olona ho zaza lava: omeo vary, omeo ronono, omeo paompy… […]

Dieny izao…  

Tonon-taona izao, fanao ny jery todika. Inona no tsy vita? Hatramin’izay mila arenina, ny miandry, ny tohizina… Be lavitra ny mbola tsy vita mitaha amin’izay natomboka. Miainga amin’ny tsirairay izay, vao mivelatra amin’ny hoe fifanomezan-tanana, fifampitsinjovana… Sao varivarian’ny lasa ka tsy mahita ny ambany maso: be fikasana, be fitetika. Na […]

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama: “Ho avy ny tomban’ezaka ny fitondrana”

Tapitra ny roa volana fanamby ho an’ny governemanta amin’ny fanavaozana ifotony sy ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka. Mby aiza ? Ho avy ny tomban’ezaka… “Ho avy ny tomban’ezaka ny fitondrana ny fanavaozana ifotony”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, tamin’ny dinidinika tamin’ny tamin’ny haino aman-jery sy ny solontenan’y Gen Z, teny Mahazoarivo, omaly. […]