Aza atao ranotrambo ny firarian-tsoa Rehefa miandoha tahaka izao ny taona, manao be fiavy ny firarian-tsoa. Eo koa ny filazana tetikasa hatao. Misasasasa sy misosososo ary misesisesy izany kanefa aza atao ranotrambo be fiavy fa mora ritra. Tsara tokoa ny mifampirary soa fa izany no fanalahidy amin’ny fiainana. Matetika anefa […]
Mois : janvier 2026
Baolina kitra – CAN 2025 : Tafita ny voromaherin’i Mali sy ny lionan’i Teranga Senegal
Senegal sy Mali no firenena roa voalohany tafita amin’ny dingana ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), taranja baolina kitra. Efa tany amin’ny fandakana ny « tirs au but », vao nivoaka ho mpandresy ry zareo Malianina nanoloana an’i Tunisie. Senegal kosa nanilika an’i Soudan. Tontosa ny sabotsy lasa […]
VAOVAO TAMBATRA
Mihena tsikelikely ny delestazy fa olana ara-teknika sisa no misy amin’izao, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, raha nivahiny tao amin’ny fahitalavim-pirenena, omaly. Nividy groupe électrogène hoy izy ny fitondram-panjakana hanohanana ny famokarana herinaratra ao Andekaleka. Mbola midangana ny vidin’entana eny an-tsena amin’izao fotoana. Mananosarotra ho an’ny ankamaroan’ny tokantrano ny […]
Angovo : 90 miliara Ar isam-bolana ny fatiantoka
Midangana ny fandanian’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny angovo. Mitentina hatrany amin’ny 1 080 miliara Ar isan-taona ny fatiantoka, araka ny tatitra navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena, antony indrindra mahatonga ity farany nanome fanampiana mitentina 1 270 miliara Ar ny fitondram-panjakana, ny taona 2023. Na izany, mbola ambony ny tahan’ny fampiasana arina […]
Vidim-bokatra eny an-tsena: Hamafisina ny fanaraha-maso
Nidina teny amin’ny tsenan’Anosibe ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MCC), nanara-maso sy nanadihady momba ny fiaviana sy ny lalan’ny vary nafarana izay mitobaka eny an-tsena amin’izao fotoana. Tanjona ny hamantarana ny fiavian’ny vary sy ny vidiny sao misy mivarotra fatiantoka ka mahatonga ny olona tsy hanjifa ny […]




