Miverina an-tsekoly ny mpianatra manomboka anio miatrika ny roa volana fahatelo sahady amin’ny taom-pianarana 2025-2026. Any amin’ny fialantsasatry ny Paska indray vao misy fiatoana kely. Mila mitadrina any am-pianarana manoloana ny fiparitahan’ny aretina nendren-drajako. Nidina ifotony teny amin’ny fokontany Manjakamiadana ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny faran’ny […]
Mois : janvier 2026
Fandraisana fisotroan-dronono: Mila hajaina ny tetiandro ialana amin’ny fitangoronana
Efa nivoaka ny tetiandro fakana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona eto Analamanga. Mitsinjara araka ny laharana efa nalamina izay mba tsy hisian’ny fitangoronana mihoapampana indrindra amin’ireo mampirongatra ny valanaretina izao. Ho an’ireo mandray ny vola fisotroan-dronono eny amin’ny perceptions princiales (PP) sy ny eny amin’ny Tresorerie principale (TP), ary […]
Fahasalamana : Tsara ampiharina ny sakana ara-pahasalamana
Ho fiarovana amin’ny mety ho fiparitahan’ny aretina Mpox dia miverina ny sakana ara-pahasalamana rehetra nampiharina tamin’ny fotoan’ny Covid19. Ho an’ireo mpianatra hiverina an-tsekoly, mila hafaran’ny ray aman-dreny tsara amin’ny fihetsika sy sakana ara-pahasalamana rehetra. Tsy tokony hohadinoina ny mampitondra ny Gel fanasana tanana ho an’ny ankizy, ny arovava orona ary […]
Valanaretina Mpox : 40 ireo tranga voaisa, dimy marary mafy
Nitondra ny tatitra momba ny valanaretina nendran-drajako na Mpox ny dokotera, Rakotoarimino Andrianina Desiré, tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. 40 ireo tranga mampiahiahy hita amin’izao fotoana raha ny tatitry ny minisitera navoakan’ny dokotera Rakotoarimino Andrianina Desiré. Ny 34 amin’ireo dia any Mahajanga avokoa. Ny 2 eto Analamanga, […]
TSELATRA
Lehilahy nikasa hanolan-jaza voasambotry ny mpitandro filaminana tao Port Bergé, nandritra ny lanonan’ny faran’ny taona teo. Narahin’io lehilahy io maso hatrany ilay zazavavy. Nanamparan’ilay lehilahy herisetra rehefa hamonjy fodiana. Vehivavy kilan’ny afo tao an-trano fonenany ny lohany, tao amin’ny fokontany Antaniavo, kaominina Antsirabe, ny 1 janoary teo. Nisotro zava-pisotro mahamamo […]




