Mois : janvier 2026

4×4 tra-doza : Mpivady niara-namoy ny ainy

Nifapisokirana tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana nitondra azy ny mpivady tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tao amin’ny distrikan’Antanifotsy, ny sabo­tsy 3 janaory teo. Fiara tsy mataho-dalana iray miloko mainty izay nitondra ny fianakaviana kelin’izy mivady ireo. Ankizy ny telo ary izy mivady, araka ny loharanom-baovao. Potika tanteraka ilay fiara tsy […]

Tanambao V-Toamasina : Maty novonoim-badiny ilay ramatoa

Namoy ny ainy novonoin’ny raim-pianakaviana iray ny renin-janany tao amin’ny fokontany Tanambao fahadimy parisela 13/35, kaominina Toamasina, ny marain’ny 2 ja­noary. Raha ny angom-baovao, tonga namangy azy vao maraina tao amin’ny tranon-dRamatoa ity rangahy ity. Nikasa hiarahaba tratry ny taona amin’io vady teo aloha sady renin-janany io ilay rangahy na […]

Natsingevan’ny ranon’i Sisaony : Ankizivavy 14 taona iray hita faty

Nisasa amoron-drano kinanjo nisolifatra tampoka tanaty rano ny ankizivavy iray teny Ampitatafika. Sepotra izy ka namoy ny ainy. Hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony, tetsy amin’ny Vosary, fokontany Ambodiafontsy, kaominina ambanivohitra Ampitatafi­ka, ny sabotsy 3 desambra, ta­min’ny 12 ora sy sasany atoandro, ny ankizivavy iray 14 taona. Nam­pandrenesin’ny fokonolona ni­kasika ny […]