Noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny masoivohon’i Sina entim-bahoaka, Ji Ping, omaly. Voaresaka sy voatsiahy tamin’izany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta. Nitohy amin’ny fanaovan-tsonia ho fanamafisana izany ny fihaonana ka tafiditra ao anatin’izany ny fiaraha-miombona antoka eo amin’ny firenena roa […]
Mois : février 2026
Mandeha tsimoramora
Anatin’ny asa fanarenana na fanorenana vaovao ny rava rehetra i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Efa samy am-perinasa avokoa ny ankolafin-kery rehetra. Samy mitondra ny anjara birikiny mba ho an’ny mpiray tanindrazana. Hatrany am-piangonana izao, efa manamafy fa tsy ampy ny fitondrana am-bavaka fotsiny. Mila asa mivaingana ireo traboina sy namoy […]
Fandresen-dahatra ny iraisam-pirenena : Any Addis Abeba ny minisitra Razanamahasoa
Miezaka manamafy ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Madagasikara. Tafiditra amin’ny politikan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika izany. Mitarika delegasionina miatrika ny fivoriana any Addis-Abeba, anio sy rahampitso, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine. Anisan’ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Tafiditra amin’ ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina (UA), andiany faha-39, […]




