Tena nanao ny nataony ny rivodoza farany teo. Sasatry ny miarina ny firenena ao anatin’ny faritra iforonana sy andalovan’ny rivodoza, saika isan-taona. Na izany aza, tsy atao hahakivy na handreraka ambony ihany izany: tsy maintsy atrehina, iomanana mialoha hatrany. Mby amin’ny hoe izay tsara fiomanana, tsy tampohin’ny loza. Efa […]
Mois : février 2026
Hamehana ny fanarenana: Miantso ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ny Praiminisitra
Manaraka akaiky ny fivoarana sy ny takaitran’ny rivodoza Gezani ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Nisy ny dinika nampitain-davitra nanomezany toromarika ny mpikamban’ny governemanta. Manatanterahana iraka any ivelany amin’izao fotoana izao ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Na izany aza, anaty hamehana ny firenena ka nampiantso ny filankevitry ny governemanta maika amin’ny alalan’ny ampitain-davitra […]
TSELATRA
Lehilahy iray voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP Maevatanàna ny marain’ny 10 febroary 2026. Voampanga ho nanolana zazavavikely vao enin-taona monja, tany amin’ny fokontany Ambalaranokely, izy io. Nandositra izy taorian’ny asa ratsiny ary nokarohin’ny mpitandro filaminana. Voasambotra teo am-pitadiavana lalana handosirana izy. Niaiky ny heloka vitany ary fantatra fa […]
Fenoarivo : Tovolahy 18 taona hita faty tao anaty ranon’ny Vahalava
Hita faty efa tsy nisy aina intsony tao anatin’ny renirano Vahalava, fokontany Madiomanana, kaominina ambanivohitra Fenoarivo, omaly tamin’ny 7 ora sy sasany maraina, ny tovolahy iray 18 taona. Nampandre ny zava-nitranga tamin’ny zandarimaria miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohijafy ny sefo fokontany Ambaniavaratra. Tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao […]
Voina naterak’ i Gezani : Manampy ireo traboina ny polisy
Nanoloana ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, izay nampitondra takaitra ny faritra Atsinanana, Alaotra Mangoro sy Analamanga ary ny faritra hafa, nidina ifotony ary mitondra fanampiana amin’ny alalan’ny fidinana ifotony eny anivon’ny elakelantrano, ny ekipan’ny polisim-pirenena. Anisan’izany ny polisy miasa eto Antananarivo Renivohitra izay nanentana ireo mponina miaina eny anivon’ny faritra mora […]




