Mois : février 2026

TARATRY ny KANTO

Homarihina ny faha-80 taonan’i Nalisoa Ravalitera. Ny alarobia 14 janoary izao, hisy ny velakevitra manokana hotontosain’ny Faribolana San­dratra, izay izy no anisan’ny nanangana izany. «Nalisoa Ravalitera: Tendrombohitra tsy ho saron-javona» ny lohahevitra hovelabelarin’i Mahefa voalohany. «Nalisoa Ravalitera sy Benaina: loharano roa samihafa mihaona» kosa no hoentin’i Mahefa AI, mpianatra mpikaroka […]

« Jazz fiderana »: Hanokafan’ny Jazz Club CGM/GZ ny hetsika 2026

Hanokatra amin’ny fomba ofisialy ireo hetsika hotontosainy mandritra ity taona 2026 ity ny Jazz Club CGM/GZ. Hisy, noho izany, ilay fampisehoana lehibe «Jazz fiderana» hotanterahina eny amin’ny fiangonana FJKM Mahazoari­vo, ny alahady 15 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Lohahevi-dehibe hanankinana ny « Jazz fiderana » ny « Aoka izay rehetra manam-pofonaina […]

« Tena kanto 2 »: Lehilahy avokoa no hampiara-peo amin’i Poopy

Hiavaka noho ny tamin’ny taon-dasa ny andiany faharoa. Tovolahy daholo no nasain’i Poopy hanampy azy eny an-tsehatra amin’ity. D-Lain, Tanjona Randrianarivelo ary i Ken. Ireo izy telo mirahalahy nosafidian’i Poopy, hampiara-peo an-tsehatra aminy, mandritra ny «Tena Kanto 2 ». Fampisehoana ho­tontosaina ny 1 marsa ho avy izao izy ity, ao amin’ny Lapan’ […]

VAOVAO TAMBATRA

Hisitraka mivantana ireo tombontsoa azo avy amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Korea Atsimo ireo tanora malagasy hatrany amin’ny 15 000. Fifanarahana entina hanamora ny fandraisana sy fampiofanana, fianarana teny koreanina ary ny fisitrahana asa maro any an-toerana. Voakasik’izany ny Ingénierie de la construction, ny Paramédical, ny jono, ny fitrandrahana ala, ny […]

Mpiasa amin’ny tsy miankina: Hakarina 300 000Ar ny karama farany ambany

Hihatra manomboka ny 01 marsa ny fampakaran-karama ho 300 000 Ar ho an’ny fandraisana mpiasa ho an’ny sokajy M1, eo amin’ny sehatra tsy miankina, araka ny fifanarahana nataon’ny Fivondro­nan’ny orinasa malagasy (GEM) sy ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (FivMpaMa) ary ny Conféren­ce des travailleurs de Mada­gascar (CTM), ny herinandro teo. Mbola […]