Mois : février 2026

Praiminisitra: Nitsidika ny faritra Atsinanana

Nitsidika ny faritra Atsi­na­nana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herin­tsalama Andriamasy, ny talata sy alarobia lasa teo. Nano­tro­na azy tamin’izany ny minisitra efatra mianadahy, mpikambana amin’ny governemanta. Notsidihina nandritra izany, ny tapany atsimon’i Toamasina, distrikan’i Maha­noro sy i Vato­mandry izay sa­my simban’ny rivodoza Fytia avokoa. Toy izany koa ny tao […]

INDRAY MIJERY

Notanterahina ny faran’ny andro teo, teo ambany fiahian’ny mpanolotsaina avon’ny Fana­vaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny jeneraly Rabearimanana Lucien, sy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, ny Pr Hajalalaina Aimé Richard, ireo Sojaben’ny Fakiolte sy […]

PAMF sy ESCM : Hanofana tanora amin’ny sehatry ny fitantanana

Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa tetsy Amba­ranjana, ny Première agence de microfinance Madagascar (Pamf) sy ny ESCM Business School, omaly. Nametrahana ny atrikasa antsoina hoe: Pamf Academy izany. «Fia­raha-miasa stratejika mikendry ny hanamafisana ny fanofanana ho an’ireo tanora ma­lagasy. Ireo misehatra amin’ny tontolon’ny fitantatana eny anivon’ny banky sy ny fama­tsiam-bola madinika izany», […]

Vehivavy manana fahasembanana: Matetika didiana rehefa miteraka

Ireo renim-pianakaviana manana fahasembanana ara-batana, amin’ny ankapobeny, no tsy maintsy mandalo fandidiana rehefa hiteraka. Mahatonga izany ny tsy fahatomombanan’ny ampahany amin’ny vatany ka tsy hahafahany mamoaka zaza ara-dalàna, araka ny fanazavana nentin’ny dokotera iray nanontaniana. Tsy mora anefa ny fiatrehana ny fandidiana fa mila vola ary mihoapampana izany, araka ny […]

Valanjavaboahary Mantadia : Ampirisihina ny Malagasy hisitraka ny hakantony

Lalana mirefy 17 km miditra any amin’ny valanjavaboaharin’i Mantadia, ao Andasibe, no nasiam-panamboarana, ny faran’ny herinandro teo. Hitombo ny Malagasy mpizahatany hihanoka ny harena voajanahary. Nifarimbona nanamboatra ny lalana 17 km mankany Mantadia ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana, ireo mpino kristianina 600 mahery avy ao amin’ny FJKM Zoara […]