Mois : février 2026

ASIEF : Mbola lany ho filoha i Jhon Love

Notanterahina, omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana izay ho filohan’ny Asief (Association sportive in­terministérielle pour l’entretien des fonctionnaires). Mbo­la lany hitantana mandritra ny efa-taona manaraka indray ny filoha am-perinasa, Andria­narison Jean Aimé, na i Jhone Love. Kandidà 4 no nifaninana ary miisa 122 no voasoratra tao anatin’ny lisi-pifidianana, […]

Baolina kitra: Hilalao amin’ny klioban’ny BFC i Bolo

Vaovao tsara ho an’ny kitra malagasy! Nalain’ny klioban’ ny BFC Preussen Berlin, klioba divizionina fahefatra ao Alle­magne, i Kanto Fitiavana Voahariniaina na i Bolo, Malagasy mpilalao, araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo, afakomaly. Manana ny lazany ao amin’ny renivohitr’i Allemagne ity ekipa hilalaovan’i Bolo ity. Araka ny fikarohana […]

Fifidianana eo anivon’ny FMA : Tsy hanaiky raha tsy mifidy i Ana­la­manga, Boeny, Amoron’i Mania

Hafana vay ny etsy Alarobia, anio, amin’ny fiatrehana ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA). Ligy telo mantsy tsy nahazo fiantsoana hifidy ka milaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany fa hitaky ny zony. Mandrangaranga ny fampiharana ny lalàna kosa ny federasionina sy ny kaomity Olympika malagasy (KOM) ary […]

VAOVAO TAMBATRA

Nofoanana ny didim-panjakana momba ny Fifanarahana ny fizarana ny vokatra na « Contrat de partage de production » (CPP), miompana amin’ny fi­tsirihana sy fitrandrahana akoranafo any amin’ny faritra Belo Profond Nord. Nofoanana koa ny titra tany mahakasika ny akoranafo nomena ny Omnis, miisa 17. Miisa 20 ny fifanarahana CPP naato, teo amin’ny […]

Ravinala Airports : Novatsiana fitaovana ny zandarimaria

Hamafisina ny fitandroana fahalemana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ma­noloana izany, nanolotra fitaovam-piasana sy kojakoja maro ho an’ny kaompanian’ny zandarimaria ao anatin’ny sera­nan’Ivato, ny orinasa Ravinala Airports, ny 3 febroary teo. Tanjona ny hiarovana ny fitaterana ana habakabaka ma­noloana ny tranga miseho tsy ara-dalàna samihafa. Hano­me­zana antoka ny mpandeha, ny mpiasa, […]