Misongadina eo amin’ny famoronana tetikasa ny Malagasy. Nasehon’ny ekipa Startup GazNika ny fahaizany tamin’ ny “Orange Summer Challenge”. Namiratra indray i Madagasikara nandritra ny fifaninanana iraisam-pirenena, « Grand prix international Orange Summer Challenge (OSC) 2025 ». Nifantoka tamin’ny lohahevitra « Startup for Good », miompana amin’ny famoronana tetikasa mitondra soa. Nahazo ny laharana faharoa […]
Mois : février 2026
Internet : Mihena hatramin’ny 40 % mahery ny sarany
Nanomboka ny volana novambra 2025 ka hatramin’ny febroary 2026, nanavao ny tolotra ataony ireo orinasam-pifandraisan-davitra (opérateurs) lehibe eto Madagasikara, dia ny Yas, Orange ary Airtel. Nitombo ny habetsahan’ny “data” azo ampiasaina. Nihena kosa ny vidiny. Araka ny tarehimarika navoakan’ny MNDPT izay nanao fampitahana, maherin’ny 40 %, amin’ny ankapobeny, ny fihenan’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Hampodiana sy hotsarain’ny Fitsarana malagasy ny mpandraharaha Ravatomanga Mamy aorian’ ny dingana sy ny raharaham-pitsarana ary ny fanadihadiana ataon-dry zareo maorisianina. Anisan’ny nivoitra izany tamin’ny fitsidihan’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, ny atsy amin’ny Nosy Maorisy. Andrasana ny hanetsehana ny tohin’ireo fitoriana sy dosie maro momba ireo mpitondra fanjakana ambony, […]
Minisi-panjakana Razafimanantsoa Hanitra : « Hiainga eny ifotony ny fikaonandoham-pirenena »
Mbola nanamafy ny efa nambarany, manoloana ireo resaka mandeha, ny eo anivon’ny minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. « Miainga any ifotony, manomboka eny amin’ny fokontany, mandalo kaominina, distrika, faritra ary ny sehatra nasionaly ny ho fizotran’ny fikaonandoham-pirenena », hoy izy. Nanteriny, tamin’izany, fa handray anjara amin’izany avokoa ny […]
Sorona tsy amin’ny antony?
Manamarika ny datin’ny 7 febroary, anio, ny mpanohana ny fitondrana teo aloha. Asa hanao ahoana ny ho endriky ny fahatsiarovana, ao anatin’izao fanavaozana izao. Sanatrian’ny vava ho very anjambany na ho raraka an-tany ny ra nalatsak’ireo namoy ny ainy? Ny olona naongana sy nahafaty tamin’izany manko izao no miaraka […]




