Mois : février 2026

Andrianainarivelo Hajo : « Ilaina ny diplaomasia matanjaka »

Manaraka akaiky ny toe-draharaha iraisam-pirenena ny eo anivon’ny antoko Mala­gasy miara-miainga. Namba­ran’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo, fa mifaninana amin’ny fanamafisana ny hery ara-tafika ny firenena matanjaka ho fiarovany ny tombontsoany. Tsy afa-miala amin’ny mety ho fiantraikan’izany i Madagasikara na tsy mandray anjara mivantana aza, araka ny nambarany. « Mila mamakafaka sy […]

Voazarazara hanjakana  

Nanaitra tokoa ny nahita ireto karazana fanambarana etsy sy eroa mahakasika ny tontolo politika. Misy mahita izao fiarahana sy ho fifamatoran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry, izao koa! Raha izany ny zava-misy dia hanahirana tokoa izy ity. Goavana be ny resaka sy ny sera, ka tsy mahagaga […]

Hetahetan’ny eny ifotony : Haverina eny amin’ny kaominina ny volany

Nanatanteraka atrikasa niaraka tamin’ireo tomponandraiki-panjakana rehetra any amin’ny faritra Atsinanana ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama. Nivoitra tamin’izany ny olana sy ny hetahetan’ny vahoaka any an-toerana. Nihaino mivantana izany hetaheta rehetra izany ny lehiben’ny governemanta sy ireo delegasionina niaraka taminy. Anisan’izany ny mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta. Anisan’ny noresahina, ohatra, ireo dingana […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, ny roa lahy nangalatra moto teny Soavina, ny herinandro teo, taorian’ny niakaran’izy ireo fampanoavana. Voasambotry ny polisy teny Mahavoky Besarety, ny 01 febroary 2026 lasa teo ny iray. Tratra tetsy Ankadifotsy ny ampitson’io kosa ny iray hafa. Mbola tratra teny aminy ilay moto halatra. […]

Kaominina Talatamaty: Olona dimy naiditra am-ponja, tsy ampy taona ny roa

“Nandray anjara mivantana tamin’ny halatra sy vaky trano ny 28 janoary teo ireo olona dimy notanana vonjimaika any am-ponja taorian’ny fampanoavana”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Talatamaty, omaly. Naharay fitarainana avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana fa misy roa lahy tratra nisokitra vavahadin’olona. Notanana ireo […]