Hisitraka ny Agoa hatramin’ny 31 desambra 2026 i Madagasikara ka mbola afaka manondram-bokatra tsy handoavana haba any Etazonia. Na izany, tandidonin-doza ny asa an’arivony, hitombo ny fahasahiranan’ny orinasa miankindoha amin’ny tsena amerikanina. Anatin’ny fikaonandoha maharitra ny delegasionina malagasy hijerem-bahaolana amin’ny zava-misy izay miantraika amin’ny toekarem-pirenena. Andry iankinan’ny asam-panjakana ny fitantanam-bolam-panjakana. […]
Mois : février 2026
Sirama : Mahatratra 17 miliara Ar ny vokatra ara-bola
Mandroso tsara ny orinasam-panjakana Sirama SA. Mampanofa ny fitantanana (Location gérance) amin’ny orinasa sinoa ny Sirama, ka voakasik’izany ny ozinina any Ambilobe sy Namakia. Nohazavain’ny tale jeneraly (DG), ny jeneraly Ramananarivo Mamy Emile, omaly, fa « ny fanarenana ny fitantanana no sahanin’ny Sirama, fa miandraikitra ny fampandehanana ny ozinina no ataon’ny […]
Vidin-tsolika : Nitombo 190 Ar ny gazoala sy ny solitany
Toy ny isam-bolana, niova ny vidin-tsolika nanomboka omaly. Nitombo 190 Ar isaky ny litatra ny gazoala (GO) sy ny solitany fandrehitra (PL), raha nihena ny tamin’ny volana janoary. Lasa 4 860 Ar/l raha 4 670 Ar teo aloha ny vidin’ny gazoala. Nisondrotra ho 3 710 Ar/l ny vidin’ny solitany fandrehitra, raha 3 520 Ar/l […]
Famatsiana vary : Ahina ny fahatapahan’ny fanampiana
Mety hampiato ny famatsiam-bary ho an’i Madagasikara ny FAO sy Pam noho ny tsy fahampian’ny famokarana eto amintsika. Tokony hifanome tanana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hampamokarana izany. Mety ho tapaka ny famatsiana ara-tsakafo ataon’ny FAO sy ny Pam ho an’i Madagasikara amin’ity taona ity, raha ny nambaran’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Feno 51 taona omaly, ny nanoloran’ny Jly Ramanantsoa Gabriel ny Kly Ratsimandrava Richard ny fahefana feno hitondra ny tany sy ny fanjakana. Anisan’ny teny nambarany tamin’izany ny « Tsy hiamboho adidy aho mon Général”. Maty voatifitra teo Ambohijatovo ambony anefa izy, herinandro taorian’ny nandraisany izany fahefana izany. Lasa nitsabo tena any […]




