Nihaona omaly, tao amin’ny Ivokolo Analakely, ireo mpitendry zavamaneno. Nisongadina, tamin’izany, ny antso ho an’ny firaisankinan’ny mpitendry manerana an’i Madagasikara hivondrona ao anaty fikambanana « Mpitendry malagasy ofisialy » iray. Avy amin’io sehatra misokatra io no hitondrana ny feon’ny mpitendry. Hiaro ny zony, hanatsara ireo fepetra iasany. Hampiroborobo ihany koa ny tontolon’ny […]
Mois : février 2026
INDRAY MIJERY
Nanao tombana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony mahakasika ny hetsika « Fosika » nandritra ny volana janoary. Fantatra fa nahatratra 37 ireo fitarainana voaray ka diplaoma sandoka ny 5 tamin’ireo, dimy hafa kolikoly ary tolotra fiofanana tsy ara-dalàna ny 2. Fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna ny 5 ary herisetra ny 5 hafa. […]
Aretina haromotana: Tsy maintsy maty rehefa miseho ny soritraretina
Mila fahamailoana foana ny aretina haromotana. Manao fanairana ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka fa aretina mahafaty raha tsy voasoroka haingana ny haromotana. Mifindra amin’ny olona amin’ny alalan’ny kaikitra na rangotra na lelaka amin’ny faritra maratra. Ao amin’ny roran’ny biby mafana ra no misy ilay virus. Misoko miadana ny aretina, arakaraka ny […]
Rivodoza Fytia : 12 ny maty, 77 192 traboina
Nitombo ho 12 ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia. Efa hita ilay olona lasan’ny rano tany Mahajanga II. Fito ny olona naratra, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly hariva. 77 192 ireo traboina (tokantrano 18 561) ary 30 873 ny olona nafindra toerana (tokantrano 7 900) ka ny […]
Olana ara-tsakafo : Nanao antso fanampiana iraisam-pirenena ny fanjakana
Ho mafy kokoa ny krizy ao anatin’ny enim-bolana voalohany amin’ity taona ity ho an’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana satria ao anatin’ny fotoana maitsoahitra isika izao, hatramin’ny volana avrily. Nanomboka ny faran’ny taona 2024 ka hatramin’ny taona 2025, niharan’ny loza voajanahary nisesy ireo faritra ireo, nisedra haintany sy rivodoza niteraka […]




