Mois : février 2026

Échecs-Analamanga : Nahomby ny lalao fanokafana ny taona

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana fanokafana ny taom-pikatrohana 2026, ho an’ny ligin’Ana­lamanga, taranja échecs. Teny amin’ny Akademia na­sionalin’ny fanatanjahantena Ampefiloha no nanatantera­hana izany. Nahomby tante­raka satria tonga marobe, namaly ny antso, ireo mpilalao izay tafakatra 135. Na dia teo aza ny andro ratsy, tsy nahasakana ireo mpandray anjara […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina teny amin’ny Akademia nasionalin’ny Fanatanjahantena Ampefiloha, ny 31 janoary hatramin’ny 1 volana febroary teo, ny fampiofanana ny mpitsara mahakasika ny fihetsika mirindra « Pomsae » sy ny adin’olon-droa « Kyorugi » amin’ny taranja Taek­wondo WT. Nanatrika izany ny tale teknika nasionalin’ny Federasionina malagasin’ny Taekwondo WT (FMTKD). Hotanterahina, anio, amin’ny 10 ora maraina, eny […]

Rugby – XXL Top 12 : “Tsy hisy ho dinganina”, hoy ny federasionina

Taorian’ny tsy fahatanterahan’ny andro fahadimy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”, tokony ho natao ny alahady 1 febroary lasa teo, nilaza ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy Rugby fa tsy dinganina akory ny kalandrie. Betsaka ireo mpankafy nihevitra fa avy hatrany dia hotanterahina ny andro fahenina […]

Corentin Martins- Mpanazatra ny Barea : Hita ny marimaritra iraisana, andrasana ny fanambarana ofisialy

Nifarana ny 31 janoary teo, ny fifanarahan’ny fanjakana malagasy sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) amin’ilay frantsay mpanazatra ny Barea, Corentin Martins. Fantatra, omaly, fa mbola hanohy i Corentin Martins ary andrasana ny fanambarana ofisialy mahakasika izany. Araka ny filazan’ny lohara­nom-baovao iray, omaly, efa naverin’i Corentin Martins, aty Madagasikara, […]

Ampitatafika : Hotolorana vary ny traboina sy ny sahirana

Toerana iray anisan’ny misedra olana amin’ny fiakaran’ny rano ny manamorona iny reniranon’i Sisaony iny. « Tafakatra any an-trano ambany rihana sy ny tokotany ary ny faritry ny toeram-pivoahana mihitsy ny rano », hoy ireo olona monina eny Anja­namaitso, fokontany Ampita­tafika Vaovao. Efa tratran’ny rano niakatra intelo nifanesy ny ankamaroan’ny tranon’ olona eny. […]