Mois : février 2026

Faritra Atsinanana: Zana-kazo 22 500 novolena

Natomboka ny 30 janoary teo ny taom-pambolen-kazo 2026 ho an’ny faritra Atsinanana. Tany Ampangadiampasika, fokontany Hoavimamiratra, kaominina Savalaina, distrika Brickaville, no nanatanterahana izany. Miisa 22 500 ny zana-kazo (Hintsimbazaha, Tsitoavina ary Kongi­na) nambolena tamina velaran-tany 15 ha. Nanohana sady mpiara-miombon’antoka amin’ ny fitanatam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Atsi­nanana ny orinasa tsy […]

Holafitry ny vadintany: « Mihatsara ny fampiharana ny lalàna… »

Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tetsy By Pass, ny herinandro teo, ny eo anivon’ny Holafitry ny vadintany. Nambaran’ny birao mpitantana fa efa miezaka ny fitsarana ny amin’ny tokony hataony hiarovana ny vadintany eo am-panatanterahana ny asany. Voatsiahy, tamin’izany, fa efa voalazan’ ny sata mifehy ny fiarovana azy ireo izany, miainga […]

INDRAY MIJERY

Nosokafana ny faran’ny volana janoary teo ny asa “tolo-tanana” ho fanomezana fahasalamana maimaimpoana, karakarain’ny “Rotary” ho an’ny vahoaka ao amin’ny faritra Menabe. Maro ny fandidiana atao toy ny sima, hernie, may (miraikitra), vaky lanilany…. Haha­ritra hatramin’ny 6 febroary ny hetsika. Nomarihina fa maimaimpoana avokoa hatramin’ny fanafody ary rai­sina an-tanana na […]

Antsirabe : Sehatra maro no iasan’ny Fondation Axian

Maro ireo fotodrafitrasa natsangan’ny Fondation Axian ao Antsirabe. Mahasahana se­hatra samihafa izany. Ani­san’ny nisongadina nandritra ny fitsidihana tany ann-toerana ny fanavaozana ny EPP Mia­ramasoandro, sekoly Yas voalohany naorina tamin’ny taona 2015. Mankalaza ny faha-10 taonany ny sekoly amin’izao fotoana ary efa an’ arivony ny mpianatra nandalo tao, raha ny fanazavana nen­tin’ny […]