Mbola faritra mena ny kaominina enina, ao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Mampanahy ny mety ho fahavakisan’ny fefilohan’i Sisaony. Efa tafakatra 2m 24 rahateo ny haavon’ny renirano, eo Ampitatafika. Manambana ho vaky ny fefilohan’i Sisaony, morony havanana, any Ampahitrosy. Mbola mitoetra, araka izany, ny filazana loza mitatao (mena) amin’ny tondradrano amin’ny kaominina […]
Mois : février 2026
TARATRY ny KANTO
Nahazo ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina ireo mpisehatra amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina ao Vakinankaratra, ny sabotsy teo. 15 nakarina eo amin’ny laharan’ny « Commandeur », 16 nahazo ny « Officier » ary 23 kosa nomena ny « Chevalier ». Nahitana mpanakanto mpanao mozika, mpanao hosodoko, mpanoratra, mpikabary,sns, izy ireo. Nandritra ny […]
Volana febroary : Nihemotra ny « Asaramanitra bagasy »
Raha ny sabotsy 7 febroary izao no fantatra fa saika hanatanterahana ny « Asaramanitra bagasy », fantatra, omaly, fa hahemotra ny tolakandron’ny sabotsy 14 febroary ity hetsika fanaon’ny Sehatra Bagasy isaky ny misantatra ny taona vaovao ity. Tsy miova ny toerana fa ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro, etsy Antsahavola […]
Printsy Rakotomalala Louis de Gonzague: “Ny fandalana ny Satam-pirenena no vahaolana”
Miverimberina hatrany ny olana mianjady amin’ny firenena. Vitsy ihany, anefa, ireo mitady vahaolana ivelan’ny politika. Milaza ny heviny momba izany ny Printsy Rakotomalala Louis de Gonzague. Gazety Taratra (*): Miaina ao anatina olana na krizy miverimbarina i Madagasikara. Amin’ny maha mpandala ny fomban-drazana sy ny maha Malagasy anao. Inona no […]
VAOVAO TAMBATRA
Nentanina hiditra amin’ny ara-dalàna ireo mpitrandraka madinika misehatra amin’ny volamena any amin’ny fokontany sady kaominina Satrokala, distrika Ihosy, ny sabotsy 31 janoary teo. Nampahafantarina azy ireo ny lalàna, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny dingana arahina amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Nohamafisin’ny talem-paritra, fa tsy misy fitrandrahana azo atao raha […]




