Mois : février 2026

Voaroba 5 tapitrisa Ar : Mpanangom-bokatra maty voadaroka

Raim-pianakaviana iray mpanangom-bokatra no matin’ny daroka teo amin’ny hatony, afakomaly. Voaroba ny vola mitentina 5 tapitrisa Ariary. Nafenina tao anaty bozaka tao Ankerana Avaratra, ny razana. Nifampitadiavan’ny olona akaiky azy, hita faty tao Analandrandirana, an­tampon’ny Betatamo, kaomi­nina Ankerana Avaratra, dis­trikan’i Tsiroanomandidy, ny lehilahy iray, afakomaly ma­raina. Mpamily kamiao sa­dy voairaka […]

Havatsa –Upem : Nankasitrahina ireo mpanoratra nahavita be

Fikambanana zokiny indrindra. Notanterahina afakomaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny lanonana fanolorana ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny ko­lontsaina, ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Havatsa-Upem. Nisitraka izany ny mpanoratra miisa 28. Nakarina ho laharam-boninahitry ny kanto «Commandeur», izay fara-tampony ny 11. Mpanoratra efatra nosalorana ny «Offi­cier», 13 nahazo […]

Handball malagasy: Hampiantrano lalao iraisam-pirenena roa

Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Handball, Ratsimandao Andriamanga Herilovasoa, ny zoma teo, tetsy Ampefiloha, fa hampiantrano lalao iraisam-pirenena roa ny Malagasy, amin’ity taona ity. Anisan’izany ny fifaninanana ho an’ny ranomasimbe Indianina, CCOI, izay hotanterahina any Toamasina, ny 8 hatramin’ny 15 febroary ho avy izao. Hatreto, mbola firenena roa ihany no fantatra […]

Pureplay Football League : Mbola manjaka ny Disciples FC

Fandresena hatrany! Na­hita fahombiazana indray ny ekipan’ny Disciples FC Vaki­nankaratra, ny faran’ny herinandro teo. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Elgeco Plus Analamanga, tao amin’ny Kianjan’ny Vélodrome Antsirabe. Fandresena fahefatra tamin’ny lalao efatra vita izany izao no azon’ny ekipan’i Vakinankaratra, manana isa 12 izy ireo. Iny kosa […]