Mois : février 2026

FANTINA sy FINTINA

Hotokanana avokoa ireo fotodrafitrasa rehetra vita ka nandaniana volam-panjakana, araka ny nam­ba­ran’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, nandritra ny fitokanana ny kaomisarian’ny Fila­minam-bahoaka ao Betafo, ny asabotsy teo. «Tokony hisitraka ny ariary mivoaka ao amin’ny volam-panjakana ny vahoaka», hoy izy. Hirosoana ny fanavaozana ny zotram-pifidianana. Nisongadina izany tamin’ny fitsidihan’ny delegasionina […]

Fiaraha-miasa DIPLAOMATIKA : Hanohana ny fikaonandoha ny Vondrona afrikanina

Mihazakazaka ny fahatongavan’ny fikambanana iraisam-pirenena manohana ny fametrahana ny fanavaozana. Taorian’ny Sadc, namita iraka eto Madagaiskara ihany koa ny Vondrona afrikanina. Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoari­vo ny delegasiona avy amin’ny Vondrona afrikanina, notarihin’i Mohamed Idriss Farah. Nison­ga­dina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fahavononana […]

Fakan-kevitra  

Anisan’ny zava-dehibe amin’izao hoe fanavaozana izao ny fakan-kevitra amin’izay atao, indrindra amin’ny soa iombonana. Mby hoe tsy misy toy ny teny ierana; na mafy aza, zaka ihany. Mampifanditra ny fanapahan-kevitra mandeha ila? Na mandidy dia homana… Tsy vitan’izany, mampikatso izay aleha sy atao. Tsy niteraka resabe sy fanahiana izay ho […]

Fandaminana ny firenena : Mitaky ny fahefan’ny fokonolona ny Antoko MFM

Nanamarika ny faha-53 taonany ny antoko MFM, naorin-dRakotonirina Manandafy. Natao tetsy Ankasina, ny herinandro teo, izany. Nitondra tolo-kevitra maromaro handaminana ny firenena tsy hiverenan’ny krizy izy ireo. «Havadika ho vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny fokontany, hahafahan’ny fokonolona mandray an-tanana ny fitantanana sy ny fampandrosoana eny ifotony», hoy izy ireo. Hapetraka ny la­làmpanorenana […]

TSELATRA

Naratra nianjeran’ny tamboho ny mpandalo iray teny Tsarafara, kaominina Sabotsy Namehana, ny sabotsy 31 janoary teo. Olona telo maty taorian’ny fivadihan’ny kamiao tao Andrenarivo Ambinanindovoka, kaominina Ambalavao, ny marain’ny sabotsy 31 janoary teo. Tovolahy vao erotrerony, mpianatra, hita faty tao anaty rano tsy lavitra ny tohodrano ao Andrainjato, afakomaly.