Mois : février 2026

Fiarovana ara-tsakafo: Fampivoarana ny rafi-pambolena maharitra

Natao ny 23 sy ny 24 febroary teo, teto Antanana­rivo, ny atrikasa nasionaly mahakasika ny fampisakafoana an-tsekoly, mifototra amin’ ny fividianana ny vokatra eny ifotony (HGSF). Miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana azy ny minisitera ao amin’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny Fana­beazam-pirenena (Men), ny antokon-draharaha ara-tsakafo (ONN) ary ny FSRP. Tan­jona […]

Fandraharahana : Tosika ho an’ny fivelaran’ny fihariana

Tohana ho an’ny mpandraharaha ka ahafahany manitatra ny tambajotram-pifandraisany sy mampahafantatra ny vokatra ataony ny hetsika “Foire des soldes” atao etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, manomboka rahampitso hatramin’ny 1 marsa izao. Hetsika karakarain’ny N.Com Agency. Hiavaka ity andiany fahafito ity noho izy hampiasana ny niomerika ka ahafahan’ny rehetra manerana ny […]

Ambatolampy : Tratra ireo vary simba milanja 96 taonina

Nogiazana avokoa ireo vary simba milanja 96 taonina, natao tao anaty kamiao miisa 3 tratra tao Ambatolampy, ny herinandro teo, hisorohana ny fiparitahany eny an-tsena. Anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC) hamantarana ny zava-misy marina. Nambara fa maro tamin’ireo trano fitehirizan’entana ao amin’ny faritra Atsinanana no […]

FANTINA sy FINTINA

Nandiso ny vaovao miely ny fikambanana FOMF, tarihin-dRazaivola Raissa. Mbola voatazona ao amin’ny toby Ratsimandrava ity mpitarika azy ireo ity, hadihadiana momba ny fitsoahany ny fonja sy ny fisandohana andraikitra. Mbola hatolotra ny fampanoavana avy eo. « Tsy mitombina noho ny filazana fa no­samborina na tsy any am-ponja izy », hoy izy ireo. […]

Hetsika Rohy: “Mila hazavaina ny fandrafetana ny tondrozotra”

“Tsara ny hoe hamoaka tondrozotra hitondrana ny Tetezamita ny filohan’ny Fa­navaozana, alohan’ny 28 febroary”. Io ny nambaran’ny mpandrindra teknika ny Hetsika Rohy, Andriamora­niaina Harijaona, teny Amba­to­nakanga, omaly, ny amin’ny hoe hamoaka tondrozotra hitantanana ny Tetezamita ny fitondrana. Tokony handraisan’ny mpisehatra rehetra anjara ny famolavolana izany, raha ny fitakian’ny fiarahamonina sivily. […]